airtel

Actualités

11-mai-2023

Actualités

TOETR’ANDRO Mbola tsy ririnina izao

Sample post image

Efa tena mahatsiaro mangatsiaka ny rehetra amin’izao indrindra fa amin’ny harivariva iny sy ny maraina.

11-mai-2023

Tsy vitsy ireo efa mamoaka bodofotsy mba horakofana amin’ny alina vokatr’izany raha efa marobe ihany koa ireo namoaka ny akanjo mafana fitondra amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina tany anaty fitoeran-damba tany. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby anefa dia mbola tsy vanim-potoanan’ny ririnina izao. Mbola ao anatin’ilay fotoana manasaraka ilay fararano, fotoana fiakaran’ny vary sy ny hatsiakabe isika eto Madagasikara. Na izany aza dia notsindrian’izy ireo kosa fa tena misy ny fivadibadihan’ny toetr’andro. Anisan’izany ilay rivotra mitsoka entin’ny varatraza avy any avaratra izay tena mamirifiry tokoa. Toraka izany koa ny vinavina ny mety hisian’ny ranon’orana tampoka amin’ity faran’ny herinandro ity… Any amin’ny faramparan’ny volana May miditra mankany amin’ny volana Jona any araka izany vao tena hiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika eto Madagasikara.
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap