hoy ny fampitam-baovaon’ny sampana mpamantatra toetr’andro na “Météo Madagascar” mikasika ny vinavinan’ny toetr’andro manomboka ny 14 hatramin’ny 19 febroary 2023, omaly. Mbola tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisian’izy ireo amin’ity herinandro ity. Arahi-maso akaiky kosa ny ho fivoaran’i Freddy manomboka amin’ny faran’ny herinandro. Hitoetra any avaratra andrefana sy ny ilany andrefan’ny nosy ny oram-baratra. Hiitatra amin’ny faritra maro manerana ny nosy izany amin’ny faran’ny herinandro. Ho maina amin’ny ankapobeny ny ilany atsinanan’ny nosy. Hanorana tandrifin-drahona mety arahin-kotroka any Diana, Sofia, Boeny, Melaky, Menabe, Atsimo andrefana ary Bongolava. Tombanana hiverina ny oram-baratra ho an’ny afovoan-tany sy ny ilany atsimo atsinanan’ny nosy manomboka ny Alakamisy izao. Hisy fiakarana kely ny maripana ambony indrindra saika manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Manodidina ny 12 - 26°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 23 - 36°C ny tolakandro, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny