tapany Avaratra andrefan’ny nosy, hoy ny fampitam-baovaon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro omaly, araka ny sary voaray avy amin’ny zana-bolana tamin’ny 3 ora tolakandro, ora teto amintsika. Tombanana ho betsaka araka izany ny rotsak’orana amin’ireo toerana ireo. 80 hatramin’ny 130mm ny rotsak’orana andrasana ao anatin’ny 24 ora, izany hoe hatramin’ny anio amin’ny 3 ora tolakandro any ho any. Omaly talata 4 febroary 2025, ho an’ny faritra Betsiboka sy ny tapany avaratr’i Alaotra Mangoro. Nanomboka omaly hatramin’ny alakamisy 6 febroary 2025 ho an’ny faritra Boeny, ny distrikan’i Ambilobe, Ambaja, Nosy-Be, Bealanana, Analalava, Antsohihy, Boriziny sy Mampikony. Manomboka ny alakamisy 6 febroary 2025 hatramin’ny zoma 7 febroary 2025 ho an’i Besalampy, Maintirano, Ambatomainty ary Morafenobe. Hisy, noho izany, ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavan’andro, ny fiandronan’ny rano amin'ireo toerana mora tondraka, ny fiakaran’ny renirano, fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo. Fampitandremana miloko mena, noho izany, ho an’ny faritra Boeny, Betsiboka, ny tapany Avaratr’i Alaotra Mangoro, ny distrikan’i Ambilobe, Ambaja, Nosy-Be, Bealanana, Analalava, Antsohihy, Boriziny sy Mampikony. Fampitandremana miloko mavo ho an’i Besalampy, Maintirano, Ambatomainty ary Morafenobe. Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toro-marika omen'ny manam- pahefana isan-tokony, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny