airtel

Actualités

07-mars-2022

Actualités

Toetry ny andro Miala any indray ny rivodoza

Sample post image

Efa nandrivotra be ny teto Antananarivo nanomboka omaly hariva. Miha manakaiky hatrany an’i Madagasikara ilay andro ratsy miforona any amin’ny ranomasimbe Indianina.

07-mars-2022

Tany amin’ny manodidina ny 390 km Atsinanan'i Cap Masoala no nisy ny foibeny omaly tamin’ny 4ora hariva, raha ny vaovao navoakan’ny Météo Madagascar. Mbola malefaka ny heriny satria 46 Km/ora ny rivotra miaraka aminy. Mikisaka miakandrefana izy ka mahafaka 10 Km/ora. Ato anatin'ny telo andro manaraka dia tombanana hanohy ny diany hiankandrefana izy ka ahiana hiditra an-tanety ao amin'ny Faritra SAVA/Analanjirofo ny talata na alarobia ho avy izao amin’ny tanjaka “Tempête Tropicale”, hoy hatrany ny Météo Madagascar. Mba ho fiomanana sahady dia entanina ny mponina amin’ireto Faritra sy Distrika manaraka ireto mba hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana fanairana: Sava, Analanjirofo, Alaotra, Befandriana Nord, Bealanana, Mandritsara, Toamasina I-II, ary Brickaville, hoy ny toromarika. Nentanina ihany koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’Antsiranana sy Mahanoro mba hitandrina tsara satria hiharatsy miandalana ny toetry ny andro. Entanina ny tsirairay mba hanaraka ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. Karazana loza vaovao mandindona an’i Madagasikara indray io andro ratsy io, ary tamin’ity taom-pahavaratra sy taonan’ny rivodoza ity no heverina fa fotoana isan’ny nahabetsaka ny loza voajanahary niseho teto. Ankoatra ny rivodoza miainga avy any an-dranomasina, dia miha miharihary ihany koa ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro vokatry ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Na ny fiantraikan’ny rivodoza aza mihamafy hatrany satria potika ny ala sy ny tontolo iainana izay isan’ny tokony hanakana sy mampihena ny heriny eny am-pandehanana. Mihazakazaka ny famotehana ala, indrindra tato anatin’ny 10 taona farany nampalaza ny trafika amin’ny endriny maro. Ny resaka orana sy hain-tany moa dia tena henjana ny fiantraikany satria rehefa maina, dia tena ara-bakiteny tsy misy hiainana, rehefa orana, dia orambe matevina mitera-doza,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap