airtel

Actualités

21-févr-2022

Actualités

Toetry ny andro Mitombo hery hatrany ilay rivodoza Emnati

Sample post image

Tany amin’ny manodidina ny 657 km atsinanana somary avaratra-atsinanan’i Toamasina ny ny foiben’ny rivodoza Emnati omaly alahady 20 febroary tamin’ny 4ora tolalandro.

21-févr-2022

 Nitombo hery hatrany i Emnati ka lasa « Cyclone Tropical Intense », nitombo ho 175km/ora ny rivotra entiny, izay arahina tafiotra 245km/ora, hoy ny Météo Madagascar. Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka mahafaka 11 km/ora. Manambana ny morontsiraka Antsinanana ity rivodoza ity, ary mbola tsy miova ny vinavina hidirany an-tanety rahampitso talata 22 febroary, eo anelanelan’i vatomandry sy Manakara amin’ny tanjaka« Cyclone Tropical Intense » na rivodoza mahery vaika (170km/ora. Mbola manakery hatrany ny filazana loza voarain’ireo faritra sy distrika naharay izany: Filazana loza manambana miloko mavo: BRICKAVILLE, VATOMANDRY, MAHANORO, ANTANAMBAO MANAMPOTSY, MAROLAMBO, VATOVAVY, FITOVINANY ary ATSIMO ATSINANANA. Filazana fanairana miloko maitso: ANALANJIROFO, TOAMASINA I-II, ALAOTRA MANGORO, ANJOZOROBE, MANJAKANDRIANA, ANTANANARIVO AVARADRANO, ANDRAMASINA, VAKINANKARATRA, AMORON'I MANIA, MATSIATRA AMBONY, IHOROMBE ary ANOSY. Iangaviana araka izany ireo mponina voakasiky ny filazana mba hanaraka tsara ny toromarika omen’ny manam-pahefana eny ifotony, hoy ny toromarika. Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka Atsinanana noho ny alon-drano vaventy aterak’i Emnati, hoy hatrany ny Météo Madagascar.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap