Raha araka ny tombatomban’ny manodidina dia mety natelin’ny ranomasina izy io nefa mety nisy namono ihany koa ka natsipiny tany anaty rano ny vatana mangatsiakany avy eo. Rehefa hita moa ny razana dia naterin’ny olona tao amin'ny «centre medical». Mbola tsy fantatra mantsy izay fianakaviany hatramin’ny fotoana nahazoanay ny vaovao omaly hariva. Eo an-daniny, tsy misy mahafantatra azy ireo nanatitra azy tamin’ny centre medival. Tsy nahitana karapanondrom-pirenena na izay mombamomba azy manokana ihany koa teny aminy fa tee-shirts miloko volon-tsokola, shorts miloko mainty, sac banane miloko mainty ary satroka mainty no hita teny aminy. Andrasana araka izany ny fianakavian’Itompokolahy. Manodidina ny 40 taona eo ho eo izy raha ny tombana.
Nangonin’i Pati
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny