airtel

Actualités

09-août-2023

Actualités

TOLIARA Lalaovin’ny vazaha ireo zaza tsy ampy taona

Sample post image

Tena manjaka amin’ny filalaovana ireo zazavavy kely tsy ampy taona ny tera-tany vahiny ao Toliara ao.

09-août-2023

Tera-tany vahiny iray no voalaza fa tratra niaraka tamina tovovavy kely miisa 5 , 8 ka hatramin’ny 13 taona tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tany an-toerana ny herinandro lasa teo. Taorian’ny loharanom-baovao avy amin'ny olona vitsivitsy dia niroso tamin’ny fisamborana ilay vazaha ny polisy ka zazavavy kely tsy ampy taona roa no niaraka taminy tamin’izany. Mialohan’ ny nahatongavan’ny polisy anefa hoy ny vaovao dia mbola nivoaka nitady ankizivavy tsy ampy taona hafa teny an-dalana ilay vazaha sy ilay mpiray tsikombakomba taminy. Tratran’ny polisy niaraka tamin’ireo ankizy vavy tsy ampy taona 5 ireo avy eo ity vahiny ity. Notazomina nandritra ny 48 ora izy rehefa avy natao fanadihadiana, saingy nahazo fahafahana vonjimaika rehefa niakatra fampanoavana tamin’ny sabotsy teo. Ankoatra ity farany dia tera-tany vahiny iray hafa tokony ho 70 taona koa no tratra niaraka tamin'ny ankizy vavy 14 taona tao anatin'ny hotely iray. Nahazo fahafahana vonjimaika ity vazaha ity, mandra-piandry ny fitsarana azy amin’ny 24 Aogositra ho avy izao. Nidina ho 8 taona indray ny salan-taonan’ireo zazavavy kely mivaro-tena ao Toliara noho izany, izay efa tena tsy rariny intsony ka tokony handraisana fepetra.
Nangonin’i Pati
Legende : Malaza ratsy amin’ny fivarotan-tenan’ny ankizivavy ny eto Toliara amin’izao !

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap