airtel

Actualités

18-févr-2025

TOLIARA

Masikoro 1000 lahy tsy mila ny "Base Toliara"

Sample post image

Mafampana ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara ataon’ireo fokonolona manohitra izany any Toliaaa,

18-févr-2025

raha toa ka efa namoaka fahazoan-dàlana hisokafan’io tetikasa fitratrandrahana fasimainty io ny Fanjakana. Fiara tsy mataho-dalana miisa 9 avy ao amin'ny orisana Base Toliara no nosakanan’ny olona omaly maraina, raha saika hanao fitsidihana tany an-toerana. Nizara vary tany anaty fokontany izy ireo ka niditra antsokosoko no tsikaritry ny fokonolona, hoy ny tatitry ny fahitalavitra tsy miankina iray any an-toerana. Efa nivory ny sabotsy teo, efa nampitandrina ireo vahoaka mba tsy handehanan’ireo avy amin’ny Base Toliara fa tsy mivoaka velona, kanefa gaga izahay mahita ireo olon’ny Base Toliara sy ny mpitandro ny filaminana, hoy ireo mpitokona izay efa niaraka tamin’ny zava-maranitra na hazo ny ankamaroany. « Izahay tsy mila Base Toliara hijoro amin’ny tanànanay Andaboy, ka na tianareo na tsy tianareo tsy maintsy ho faty izahay. Izahay zana-driaka, izahay Masikoro 1000 lahy tsy mila ny Base Toliara, eto ny fameloman-tenananay, izahay tsy mila asa avy amin’ny Base Toliara, izahay tsy mila asa amin’ny Fanjakana,… », hoy ireo mpanao fihetsiketsehana. Misy fampihorohoroana fa hisy hosamborina, ka raha misy iray na roa voasambotra eo, dia potika i Toliara iray manontolo, hoy ny mpitarika izay nilaza fa misy mpikarama an’ady miseho tele ka tokony hidina any raha lehilahy, fa tsy any ny famoahana hevitra. Nisy ny fifampiresahana ka navela hiala ihany ireo fiara saingy nolazaina fa fampitandremana farany ny omaly, ka raha mbola minia miditra ireo avy amin’ny Base Toliara ireo dia tsy tompon'andraikitra ny zanan-driaka. Isan’ny nanamafy ny fanoherana an’io moa ny depiote voafidy tao Toliara I sady Filoha lefitra faha-7 ao amin’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko izay nivoy fa tsy manara-dalàna io, hamono olona sy hanimba tontolo iainana, mikitika tanim-bahoaka hatramin’ny fasana, mandoto rano,… Andaniny, mitentina 5 milliara dolara ny vola ho azo avy amin'ny fitrandrahana ataon'ny orinasa base Toliara mandritra ny fepotoam-piasany. 80 tapitrisa dolara kosa ny vola hatokan'izy ireo hanaovana tetikasa goavana amin'ny faritra sy ny firenena, hoy ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Rakotomalala Olivier tany amin’ny novambra 2024. Henjakenjana ny raharaha Base Toliara izay heverina ihany koa fa tsy miankina amin’ny eto an-toerana ihany fa tafiditry ny mety ho fisiana dian-tànana ara-jeopolitika sy fifanarahana goavana eo amin’ny Fanjakana sy ny tsy miankina ny fisokafany indray. Andrasana ny tohiny !
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap