tolo-tanana ho an’ireo ankizy manana toe-tena varira beazina sy tazonina ao amin’ny toby SEFAMA ao Farafangana miaraka amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy. Ny mba hahafahana mitazona ireo ankizy varira manodidina ny 370 isa ao amin’ity ivon-toerana misy azy ireo ity no tanjona ho fiarovana ny ainy izay avy any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, Anosy ary Atsinanana. Mahatratra 2 gony isan-kerinandro anefa ny vary hohanin’izy ireo raha kely ankoatra ny laoka sy ny ody ambavafo omena azy. Tsy maintsy nitady vahaolana ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin’ny filohany Ramiandrisoa Soja Fulgence manoloana izany, antony nikarakara iny tolo-tanana iny. Saika nandrasana nandritra ireo 2 andro ireo avokoa ny fotsim-bary sy ny menaka ary ny savony sy ny fitafiana. Toraka izany koa ny lela-vola izay fantatra fa tsy nisy afa-tsy 200.000 Ar. Na izany aza dia nankasitraka feno ireo tonga nanome tamim-pitiavana ny filohan’ny fikambanana. Ny azo ambara dia tena tototry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny Malagasy. Na dia eo aza ilay finiavana te-hanampy dia ilay ho enti-manana mihitsy no tsy misy. Ny andro rahateo fety ka samy mikajikajy ny any am-paosiny avokoa ny rehetra ankoatra ny fiatrehana ny volana Janoary taona 2025.
Pati
Legende : Tena sahirana tsy afaka manampy ny mpiara-belona aminy toy ny varira intsony ny vahoaka Malagasy !
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira
Hilatsaka hatramin'ny 3°C ny marimpana ambany indrindra ao Antsirabe
Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,
Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.