airtel

Actualités

30-mars-2023

Actualités

Tolom-panafahana an’i Madagasikara Mbola tsy vita ny ady, mivelatra kokoa ny tolona

Sample post image

Isan’ny tantara tsy hay kosehina ho an’i Madagasikara ny 29 martsa 1947, izay omaly no faha-76 taona nahatsiarovana izany.

30-mars-2023

Raha ny nambaran’ny mpampianatra mpikaroka Dénis Alexandre Lahiniriko, mpahay tantara, izay efa niasa teo anivon’ny CNRS tany Frantsa, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio ny herinandro teo, dia naneho fa raha raisina tsotsotra dia nizara roa ny tia tanindrazana, izay nisy niaraka tamin’ny MDRM nieritreritra hoe: ny ara-dalàna, tsy fampiasana hery, ary ny fanarahana ireo pitsopitsok’ady politika amin’ny Frantsay, indrindra fa ny fifidianana no hahatongavana any amin’ny fahaleovantena, ao anatin’ny Firaisam-be Frantsay. Nisy ihany koa anefa no nahita toy ny JINY sy ny PANAMA hoe: ny fahaleovantena dia ady amin’ny alalan’ny fandraisana fitaovam-piadiana. Nisy ny nandray fitaovam-piadiana toy ny tany Atsinanana, fa nisy ihany koa ny nanao ady politika toy ny afovoan-tany,… Raha ny tantara moa dia nisy ihany koa ny PADESM nampian’ny Frantsay, nitaky ny tsy hialan'ny frantsay, nanohitra ny MDRM,... “Ny Frantsay no namoaka fa 89 000 maty, saingy natao mba handemena ny sain’ny Malagasy mbola niady mba ho kivy”, raha ny fanazavana efa nentin’ny mpampianatra mpikaroka Pr Jeannot Rasoloarison. Ny fanisam-bahoaka ny 1950 dia nahitana fa nihena ny isan’ny mponina, indrindra tamin’ireo nisy ny tolona. “Manodidina ny 30 000 hatramin’ny 40 000 ny tena matin’ny tolona. Ny tena maty an’ady tsy dia betsaka fa manodidina ny 2000 fa ireo maty tany an’ala noho ny tsy fahampian-tsakafo, aretina isan-karazany no maro, ka anisany betsaka ny zaza amam-behivavy nanaraka ireo mpitolona sy nifanampy tamin’ny tamin’ny fikarakarana”, hoy ny fanazavany. Mbola adihevitra moa ny isan’ny maty nandritra ny fanjanahan-tany manontolo izay misy ny milaza fa 300 000 hatramin’ny 400 000 ?
Legende : Tena nasiaka tamin’ny fanenjehana ny mpanjanatany Frantsay tamin’izany fotoana
MANAO AHOANA NY FIFANDRAISAN’I MADAGASIKARA SY FRANTSA?
Mbola adihevitra aty amin’ny 76 taona taorian’ny raharaha 1947 sy 63 taona nilazana fa nahazo fahaleovantena ny hoe: afaka tokoa ve isika? Ny fahaleovantena, dia mety ho azo kirakiraina amin’ny hoe: fahaleovantena ara-tany, ara-toekarena, ara-pitantanana,… ary heverina fa mifamatotra amin’io ny resaka fiandrianam-pirenena (souveraineté). Ny zava-misy aloha, dia mbola misy ampahan-tanintsika nogiazan’I Lafrantsa, ary nivadika ho velirano politika aza ny famerenana azy dia ireo Nosy Miparitaka na “Îles Eparses”, mbola misy hatramin’izao ireo hoe: tanin’ny voanjo matetika ifanolanana,... Ara-politika, mbola manana fifamatorana betsaka I Madagasikara sy Lafrantsa ary matetika aza mbola resahina amin’ny politika ny hoe: sarotra ny hahatongavana ho Filoham-pirenena eto raha tsy mahazo tsodranon’ny « Quai d’Orsay »? Heverina fa midika zavatra be ho an’ny fifandraisan’ny tany roa tonta ny hahatongavan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Catherine Colonna eto mialohan’ny fifidianana, raha tsy misy ny fiovana.
“NY TANTARA NO MAHA FIRENENA NY FIRENENA”
“Ny 29 martsa tsy hoe: ny 1947 ihany no tokony ho tsaroana fa ireo maherifo tamin’ny tolom-panahafana rehetra, hoy kosa ny Pr Michel Razafiarivony Mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo sady Talen’ny ivon-toerana ambony misahana ny ekiomenisma eo anivon’ny FFKM. Nambarany zava-dehibe ny fahafantaran’ny Malagasy izany, izany hoe: misy ireo olona namono tena maty mba hahazoana ny firenena ankehitriny. Tokony ho tsapan’ny tanora sy ny olom-pirenena tsirairay, mba hijoroany hoe: sarobidy ny firenena. Tokony ho arovana io satria mitohy ihany ny ady amin’ny fampandrosoana ny firenena. Notsiahivin’ny Pr Michel Razafiarivony ny tenin’ny mpandinika hoe: “Ny firenena tsy manana ny tantarany dia sahala amin’ny olombelona tsy misy fanahy”. Ny fanahin’ilay firenena mihitsy ny tantarany, ka tokony ho fantatry ny olom-pirenena rehetra ny tantaran’ny firenena, mba hanentana azy amin’ny ankehitriny.
Legende : Tokony ho tsaroana ireo mahery fo tamin’ny tolom-panafahana rehetra, hoy ny Pr Michel Razafiarivony
“.. TSY MAINTSY MIVELATRA AMIN’IZAO TONTOLO IZAO”
Ao anatin’ny fahasahirana isika, isan’ny mahantra indrindra, ka mampalahelo ny zavatra tahaka izany, ary tokony hihoitra ny olona hanarina ny firenena satria efa namono tena ho an’ny firenena ireo razantsika taloha, ka tokony ho mendrika an’izany isika, ary mba hamiratra ny firenentsika. Aminy, ny lazaina krizy teto, toy ny 1972, 1991, 2002, 2009, eny fa ny hatramin’izao dia tolona ho an’ny tanindrazana foana. “Tokony hohamafisina sy ampanarahana ny zava-misy ankehitriny satria efa ao anatin’ny fanatontoloana izao. Tsy maintsy mivelatra amin’izao tontolo izao ilay fitiavan-tandrazana. Notsipihiny anefa fa tsy maintsy mari-pototra aloha ilay an’ny tena vao afaka mivelatra satria ady ny eo amin’izao tontolo izao, izay matanjaka no mandresy eo raha migoragora sy mahantra ary marefo dia tsy raharahian’ny olona ka tsia afaka mandroso. Noho izany, na ny tanora na ny lehibe dia tokony hiezaka hampiseho ny maha izy azy, manana ny harena ary haintsika ny mamondrona sy mampivelatra izany, mampiseho izany amin’izao tontolo izao. Ny kolikoly tokony hiadiana, ny tranga amin’ny fifidianana dia tokony hijoro ny rehetra, mila mijoro amin’ny talentany avy, ka hahatsapa fa asa ho an’ny fireneny no ataony fa tsy ho an’ny tenany ihany. Ady mitohy io fa tsy hoe: efa vitan’ny taloha, izay efa nanao izay azony natao, fa anjarantsika indray izao mba hamiratana eo anatrehan’izao tontolo izao, hoy io manam-pahaizana io.
MILA MIPETRAKA HO FITARATRA NY MPITONDRA
« Tokony hajaina ny 29 mars fa tsy hanaovana “récupération politique » na iza na iza mitondra. Fitiavana ny Tanindrazana sy ny fitiavana ny Maha malagasy dia tsy afa-misaraka, io ny lova nomeny antsika, anjarantsika indray ny manampita amin'ny taranantsika na tsara io na ratsy fa dia tsy maintsy ao anaty fiarahamonina tsy maintsy miara-miaina na misy aza ny tsy fitovizana, ny fahaizantsika na tsia no hanoratantsika ny tantara, ny olana dia ny fitiava-tena no tena mamotika ity tanindrazantsika ity. Ny andraikitry ny tsirairay dia manatsara ny fiarahamonina amin'ny sehatra misy azy, anisan'izany ny fandoavan-ketrakanefa ny fihetsiky ny mpitondra, fanjakana tsy mandrisika antsika vahoaka hanao an'izany raha ny fampiasany ny kitapom-bolam-panjakana. Io ihany anefa ny lalana hahafahantsika mandroso sy tsy miankin-doha amin'ny hafa, fa mbola lavitra ny lalana mila mifampitaiza isika indrindra ny mpitondra fanjakana satria any amin'ny lohany ny fitaratra », hoy kosa Rtoa Dorris Rakoto Samuel Vadin’i Mahery Lanto Manandafy izay zanaka mpitolona malaza.
Légende : Ny Filoha Andry Rajoelina tany Moramanga omaly
Nanangona sy nandrindra:Toky RAFALIMANANA
 

Dans la même rubrique

19-juil-2024

Tontosa omaly tetsy Anosy ny fivoriamben’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ANTM.

Card image cap
19-juil-2024

Tsy misy manana teti-bola manokana hiatrehana ny fialan-tsasatra lehibe ny ankamaroan’ny

Card image cap
19-juil-2024

Andeha ho ravana ny tsy fitoviana. Eo am-pelantanantsika mandrakariva ny fiovana” hoy Ramatoa Mbavhi

Card image cap
19-juil-2024

Havadika ho gaz bio-methane sy zezika bio-composte ny fakon’Andralanitra manomboka izao.

Card image cap
18-juil-2024

Mila manao politika isika rehetra izao, hoy ny filohan’ny vondrona politika

Card image cap
18-juil-2024

Raha voalaza fa nahazo praiminisitra vaovao isika, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération nationale,

Card image cap