tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Actualités

Tombana ao amin’ny Jirama Tsy nisy fepetra hentitra noraisina hatreto

Vita omaly ny sabotsy 13 novambra teo ny tomban’ezaka na “entretiens” ampahany voalohany natao tamin'ireo Tale Mpitantana ambony ao amin'ny orina Jirama. Ireto avy ny olona manome naoty

14-nov-2022

Sample post image

1) ilay Tale tombanan'ezaka, (2) ny Tale Jeneraly, (3) ny CA na Conseil d'administration, (4) ny PCA na “Président du Conseil d'Administration”, ary faha-5 farany ny Ministra. Atambatra ny naotin'izy 5 dia alaina salanisa (moyenne). 30 ireo vita tomban’ezaka tamin'ity ary mbola hitohy amin'ny alatsinainy. 19 ny nahafapo ary mendrika ny ho to hanana mba hahomby misimisy kokoa. 11 no tsy nahazo “moyenne”. Misy amin'ireo ny iverenana dinihana tsara mba hahitana ny toerana mety hahombiazany . Misy amin'ireo mampieritreritra, hoy ny tatitry ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson. Raha nalaza ary voalaza tany aloha “tsy maintsy hisy ny fanatsaharana ny fiaraha-miasa amin’ireo izay tsy mahafa-po sy tsy mifanentana amin'ny asany araka ny fanambarana. Misy ny hanohy, misy koa ny hanaovana fanadihadiana manokana”,, dia tsy mbola hisy halana na ho voaroaka aloha hatreto, raha ny tombana hatramin’ny sabotsy teo. Tsara ny manamarika fa nisy ny fanambaran’ny sendikan’ny mpiasa ny faran’ny herinandro teo naneho ny tsy fahafaliany eo anatrehan’ny ambaran’izy ireo fa fanalam-baraka amin’ny fanapariahana ny sarin’ireo tompin’andraikitra. Naneho fa tsy olana ny tombana, saingy tsy tokony hitady izay hanilihana sy hotapahan-doha, kanefa ny minisitra no tokony handinin-tena voalohany. Olona 10 amin’ny 30 no hodinihana ny momba azy ireo, ary mety hafindra toerana, raha toa ka 19 no ho voatazona amin’ny toerana. Eo amin’ny 65% ny nahitana vokatra, tokony ho tafaverina, hoy hatrany ny fanamarihana. Ny hoesorina tsy voatery hotapahan-doha, fa mety hodinihina ny fametrahana azy amin’ny toerany mety ahafahany manome vokatra kokoa, hoy ny tompon’andraikitra. Nambaran’ireo mpitantana fa ny orinasa Jirama dia somary demokrasia loatra, somary misy mifampiandriandry, ny mpitarika tsy manana”culture de resultat” kanefa vokatra no andrasan’ny vahoaka. Fehiny, misy ireo mpiasa nahomby ka atosika hahomby kokoa, misy ny ambony kelin’ny “moyenne”, ka ny tanjona dia ny haha tonga lafatra azy. Misy ambany ny naoty, ka mety tsy mety aminy ilay paositra, jerena ny toerana mety kokoa azy.
FITANTANAM-BOLA
Nambara fa hojerena ihany koa ny fitantanana ara-bola. 500 miliara Ar ny “subvention” avy amin’ny Fanjakana nampiasaina tamin’ity taona 2022 ity fotsiny, kanefa io ny vokatra misy eo. Nankaiza daholo ny vola misy eo? Ny tsy azo hadinoina dia tsy eto Antananarivo ihany fa manerana an’I Madagasikara. Hita tao anatin’ny fijerena, fa voatazona teto Antananarivo avokoa ny vola ka hojerena ny fanapariahana azy, hoy ny manam-pahefana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volamena 36kg very tao amin’ny minisitera Mpiasa 2 natao sorona, ny tambajotra tsy voakitika
02-juin-2023

Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy

Card image cap
Fanefana trosabe amin’ny Tozzi Green Hampindram-bola ny Jirama ny Fanjakana
01-juin-2023

Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA

Card image cap
Fanaovana taratasin-tany hosoka MD eny Antanimora i bebe sy ny ekipany
01-juin-2023

Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na

Card image cap
Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara
01-juin-2023

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

Voir plus