airtel

Actualités

21-sept-2022

Actualités

Tomponandraikim-panjakana ambony “Misy sahy miteny fa tsy mampidi-bola ny harena voajanahary”

Sample post image

Ny tomponandraikim-panjakana ambony, hoy ny mpampianatra mpikaroka momba ny harena voajanahary, Pr Jonah Ratsimbazafy,

21-sept-2022

dia misy sahy miteny aminay fa tsy mampidi-bola ny harena voajanahary na izany “biodiversité” izany. Teneno amin’ny mpamatsy vola aza izany, hoy ity manam-pahaizana ity, ary aoka I Madagasikara tsy hanatrika sy hanao sonia intsony ireny fifanekena iraisampirenena ireny. Ny volan’olona tiantsika ho raisina ihany nefa kanosa tsy sahy miteny izany. Fantatry ny olona izany, hoy hatrany ity mpampianatra mpikaroka ity. Hita ho mampiverina an-tsaina toe-javatra maro nandalo teto amin’ny firenena, teo amin’ny sehatry ny vakoka misy eto amintsika ity filazana ny harena voajanahary ho tsy mampidi-bola ity. Ny hoe harena voajanahary moa dia adikan’ny frantsay hoe “richesse naturelle” fa andikana azy ankoantran’izay koa ny hoe “patrimoine naturel”, izany hoe, vakoka voajanahary. Toa tsy mahagaga ihany raha tomponandraiki-panjakana ao anatin’izao fitondrana izao, noho izany, no mihevitra ny harena voajanahary na vakoka voajanahary ho tsy mampidi-bola satria dia vitan’izao fitondrana izao ny nikitika atin’ny lapan’I Manjakamiadana sy ny rovan’Antananarivo izay efa isan’ny nosokajian’ny UNESCO ho vakoka iraisampirenena mihitsy nefa dia nasian’izao fitondrana izao vakoka grika sy romanina, izay tsy misy hifandraisany ara-tantara amintsika akory, dia ny “Colisee” tao anatiny. Ny totohabaton’Ambondrona sy Antaninarenina moa dia fotsy rora ry zareo teo anivon’ny Amis du patrimoine tamin’ny tetezamita 2009 fa dia io voafafa io koa ny endrika naha vakoka azy. Dia ho gaga ve isika raha hihena hatrany ny isan’ny mpizahatany voasarika hitsidika ity nosy ity? Raha mpitondra fanjakana ambony tokoa aza moa no sahy milaza fa tsy mitondra na inona na inona eto amin’ny firenena ny harena voajanahary dia tokony hahagaga ve raha tsy hahalala ny maha zava-dehibe izany koa ireo tanora ankehitriny sy vahoaka madinika ary tsy mahay mamaky teny sy manoratra ety ambalambahoaka ety? J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap