airtel

Actualités

18-nov-2024

Tondro ara-toekarena sy sosialy

Mihamafy ny krizy sy tsy fahamarinan-toerana !

Sample post image

tsy marin-toerana ny toekarena ! Io no navoitran’ny fanadihadiana momba ny toe-draharaha ara-toekarena ECE

18-nov-2024

Enquête de Conjoncture Economique) natao ny jolay 2024. Tafiditra ao anatin’io ihany koa ny tsy fahamarinan-toerana ara-tsosialy sy politika, ny delestazy, ny tontolon’ny hetra izay lasa sakana ho an’ny fandrosoan’ny fandraharahan’ireo orinasa eto Madagasikara. Nitoetra hatrany io nanomboka ny telo volana faharoan’ny taona 2023. Na eo aza izany, nieritreritra ny hanafaingana sy hampivelatra kokoa ny fandraharahany ireo orinasa ara-dalàna taty amin’ny telo volana fahatelon’ny 2024. Nikendry hampiakatra ny IAE (Indicateur d'Activités des Entreprises) ho 10%, araka ny tatitry ny Banky Foiben’i Madagasikara. Nanantena fivoarana ireo orinasa salantsalany, narahin’ireo lehibe. Ireo orinasa madinika kosa nahatsapa fitotonganana tamin’ny fandraharaharany, raha toa ka mieritreritra fahamarinan-toerana kosa ireo orinasa madinika. 4,5% ny tanjon’ny fiakaran’ny harin-karena ho an’ny 2024, saingy 4,3% no tratra. Ao anatin’ny LFI 2025, tombanana ho 5% izany, ka isan’ny voizina ankehitriny ny tetikasa momba ny angovo sy fambolena. Voizina hatrany fa manana hery ilaina amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary afaka ny ho sompitra aty Afrika i Madagasikara. Laharam-pahamehan’ny Fanjakana amin’ny taona 2025, noho izany, ny fanovana ny fambolena, amin’ny alalan’ny fividianana, fizarana ary fampiasana masomboly safiotra na « hybride », ary koa ny fananganana orinasa mpamokatra zezika. Andrasana araka izany ny fisondrotry ny vokatra, izay hita amin’ny fampitomboana ny voka-bary iray tapitrisa taonina, raha ny seraseram-panjakana hatrany. Voizina ny resaka fotodrafitrasa, fanamboarana lalambe migodana Antananarivo-Toamasina, teleferika,… Misy sy marin-toerana ve ny hoenti-manana amin’izany rehetra izany ? Tena maty paika sa izay no azo lalaovina hakana fom-bahoaka eo anatrehan’ny tsy fahamarinan-toerana samihafa ? Misedra olana ara-bola sy tsy maintsy mifehy tenda ny Fanjakana, tsy maintsy manamafy ny fomba hoenti-mampiakatra ny vola anatin’ny kitapombolam-panjakana, mbola anaty fanaraha-mason’ny mpiara-miombon’antoka ara-toekerana sy ara-bola samihafa,… Isan’ny voaresaka anatin’ny LFI 2025 izay handalo fandinihana sy fandaniana eny amin’ny antenimiera ohatra ny hakana haba ny famindram-bola amin’ny finday, ferana tsy hihoatra ny 0,5%. Kajikajiana arakaraka ny vola voaray, saingy tsy ho voakasika ny sora-bola latsaky ny 150 000Ar. Any anatin’ny LFI 2025 moa no mamaritra ny antsipirihany mikasika io, ka isan’ny tena voaresaka ny fifamindram-bola avy any ivelany,… Sarotra hatreto ny fahamarinan-toerana ara-toekaren’i Madagasikara, izay nohamafisin’ny FMI fa ahiana hitondra korontana ara-tsosialy ireo olana samihafa toy ny delestazy, krizin-drano, vidim-piainana miakatra,... Akaiky ny fifidianana dia ezahana ny mifehifehy ny toe-draharaha sy manao fihetsiketsehana ivelany, saronana amin’ny fizarana vola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka avadika tosika propagandy,… saingy mampanahy ny hiitaran’ny olana aoriana kely !
Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap