an-dRtoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana ho Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny fitsarana indray, nidina tampoka teny amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Anosy ity farany omaly 16 janoary. Nanao tombana sy nijery ireo sehatra mety hitondrana fanatsarana ny fomba fiasa, araka ny tatitry ny Minisiteran’ny Fitsarana. Natomboka teo amin’ny toerana fandraisana ireo manan-draharaha (accueil) izany ary nitohy tany amin’ireo biraon-tsampan-draharaha isan-karazany (Fampakarana, fanohanana didim-pitsarana ady heloka, sampana fikajiana, fampahafantarana, fanohanana didim-pitsarana ady madio). Nojerena manokana ihany koa ireo paika, fanasokajiana ireo antontan-taratasy sy ny fomba fiasa. Nilaza ny Ministra fa ilaina ny hametrahana fepetra mivaingana hanatsarana ny asa ankapoben’ireo mpiasa eo anivon’ny Fitsarana sy ny Ministera, hoy ny tatitra. Nambara fa tanjona amin’izao fitsidihana ny fametrahana paik’ady vaovao (digitalisation) eo amin'ny asa eo anivon'ny Fitsarana ; ny fifindrana amin'ny fampiasana ny teknolojia mantsy dia mikendry ny hisin’ny fitantanana mahomby sy mangarahara ; ny fampidirana ny rafitra nomerika ho an'ny fitantanana ireo atontan-taratasin-draharaha eto amin’ny Fitsarana, ny fifandraisana anatiny sy ivelany, hitondrana fanavaozana ny andrim-pitsarana ary indrindra hisorohana amin’ireo mpijirika. Manomboka izany ny fampisehoana amin’ny endrika ivelany ataon’ireo mpikamban’ny governemanta fa miasa. Zava-dehibe ny finiavana sy fanehoana izany, ary ny tontolon’ny Fitsarana, dia voasokajin’ireo mpanara-maso samihafa na eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa isan’ny hanjakan’ny kolikoly. Tsy mora noho izany ny miady amin’io ka dia andrasana indray izany ny vokatra satria tsy vao omaly na androany ihany koa no niresahana ady amin’ny kolikoly satria raha ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ohatra, dia io no noventesina tany amin’ny fanombohan’ny taom-piasana ny 2019, kinanjo hatramin’ny Tale Kabinetrany aza voasambotra tany Londres noho io kolikoly io.
Toky R
Nivoaka omaly 29 Aprily 2025 ny didim-pitsarana niampangana ny filohan’ny sendikan’ny paramedy, Rakotoarilison Armand.
Sarotra ny hilaza fa tsy nahitàna tombontsoa ny fiaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy Frantsa
Raha namoaka fanambarana ny mpitandro ny filaminana fa tsy misy hidiran’ny Base Toliara
Taorian’ny tsy fifankahazoana teo anivon’ireo mpivarotra sy ny ben’ny tanànan’Antehiroka,
Solontenan’i Madagasikara amin’ny Mondial du Pain faha-10 izay hatao any Nantes Frantsa
Ny lafiny ara-pahasalamana no tena olan’ny ankamaroan’ny Malagasy