airtel

Actualités

17-janv-2023

Actualités

Toriteny teny Antsonjombe Namaly bontana ny Fiangonana ny minisitry ny Atitany

Sample post image

Namoaka fanambarana omaly ny minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin, ka nitondra hafatra mba hisian’ny fitoniana eo am-panomanana fifidianana, niantso ny tsy hanaovana fihantsiana sy fanakorontanana saim-bahoaka.

17-janv-2023

Nambarany fa efa natomboka tamin’ny 01 oktobra ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, ary efa manana rafitra napetraka hanomana sy hikarakara ny fifidianana isika dia ny CENI.Manana ny fahaleovan-tenany ara-bola sy ara-pitantanana, malalaka amin’ny fanatanterahana ny asa, tsy misy teritery, tsy misy mijabaka amin’ny fanatanterahana sy fikarakarana fifidianana, hoy izy. Nilaza ity Minisitra ity, fa mitady fitoniana sy filaminana ny vahoaka, io ny làlan-tokana ahafahana manatanteraka asa fampandrosoana, manao ny asa andavanandro,.. Raha mikorontana dia tsy ho lavorary ny fikarakarana fifidianana, fa ny filaminana no ahafahan’ny CENI manatanteraka an-tsakany sy an-davany, hoy hatrany izy. Nanentana ny vahoaka Malagasy rehetra mba ho tony sy hilamina ahafahana manomana fifidianana. “Manentana ny fikambanana rehetra tsy ankavaka, antoko politika, antokom-pinoana,… hiara-hisalahy amin’ny fanentanana amin’ny fametrahana filaminana sy ny fitoniana. Ny fanajana ny soatoavina Malagasy ka hifanajantsika samy isika izay ilaina na amin’ny resaka politika na amin’ny fitoriana ny filazantsara. Tsy tokony isika indray no hitarika korontana na hamporisika ny olom-pirenena hikorontana na hitarika amin’ny fiantsiana sy fitarihana korontana sanatria….”, hoy ny Minisitra Tokely Justin. Naneho izy, fa tokony hotandremana ny vaovao avoakan’ny tsirairay na amin’ny haino aman-jery na amin’ny tambajotran-tserasera, mba tsy hitarika savorovoro sy korontana ho an’ny firenena. “Ny fiangonana, na fikambanana, na antoko politika tsirairay, dia tsy tokony hamoaka resaka na teny hitondra antsika amin’ny fanakorontanana na savorovoro, ka mba hajaintsika tahaka ny anakandriamaso ny filaminana sy fitoniana mba ahafahantsika manomana sy manatanteraka fifidianana araka ny tokony ho izy”, hoy hatrany io Minisitra io.
NAMALY ANKOLAKA ILAY TORITENY ?
Rehefa zohiana, toa misy setrin’ilay Toritenin’ny Mpitandrina Mpitandrina Andriamampianina Zaka, Filoha mpanampy-Foibe FJKM, ny alahady teo tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Toriteny izay tsy nanonona mivantana na iza na iza, saingy misy mahatsiaro ho voatsindrona ny olom-panjakana sasany. Nahitsy io Mpitandrina io izy nilaza eo anatrehan’ny ho fiatrehana fifidianana fa vidian-dafo any amin’ny toekarena ny hala-bato satria tsy misy fampandrosoana mety handeha , misy firenena fahadimy avy any amin’ny gisitra, tsy mandeha ny fiainam-pirenena mandeha, tsy misy fiainam-bahoaka mandeha,… Novantaniny fa raha ny andevon-karena andevom-pahefana, andevon’ny fitiavan-tena no lasa mpitondra firenena dia tsy ho tafavoaka, ka mila olona tia fahamarinana sy tia ny rariny.

Misy antony matoa ny mpitantana eo anivon’ny Fiangonana miteny tahaka ireny, ary raha tena zanaky ny Fiangonana marina dia mahalala tsara an’izany. Tsy natao hanasoaso na hanenjika olona na vondron’olona iray ny Fiangonana fa sady ray amandreny no mpaminany, ary ara-bakiteny mihitsy eto ilay hoe mpisintonta lakolosy.Manaitra amin’ny feo, manaitra amin’ny teny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap
22-avril-2024

Efa miditra tsikelikely mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija.

Card image cap
19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap