kaominina ambanivohitra Lopary, Distrikan’i Vangaindrano ny Sabotsy 10 Febroary lasa teo. Nisy lanonana famangiana tera-bao tao amin’io tanana io ka narahina fisotrosotroana izany. Mamo vokatr’izany ny tovolahy iray 20 taona ka nila ady tamin-dRainy ary niafara tamin'ny fandoroana trano izany. Lasa nandositra ilay tovolahy avy eo ary tsy hita raha tsy tamin'ny 11 ora alina tamin’io andron’ny Sabotsy io ihany. Tsy fantatra anefa na natahotra ny higadra izy na ahoana fa lasa nivoaka ny trano ary maty nanaton- tena tamin'ny tady teny ambony hazo tao Antranombazaha Fokontany Betsiraha indray taorian’izany. Taorian'ny fizahana izay nataon’ny zandarimaria sy ny mpitsabo no nanaporofoana fa famonoan-tena no nahafaty io tovolahy io. Na izany aza mbola mitohy ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana mikasika ity raharaha ity.
Pati
Legende : Nifatotra tadibe tahaka izao ny tendan’ilay tovolahy !
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,