tany Morondava, Faritra Menabe rehefa leo ny omena ody ambavafo omena azy sy ny tambitamby tsy an-kiato. Nandeha nanaraka ny olon-tiany ny anaovavy ka nikoropaka nitady azy vokatr’izany ny fianakaviana. Ho an’ilay nitondra folo volana an-kibo dia fantatra fa torana tsy nahatsiaro tena izy tamin’ny fotoana nahafantarana izany ka voatery naiditra hopitaly mihitsy. Ilay tovovavy kely kosa nahatsapa ny hirifiriny tsy teo ankohonan-dRay aman-dReniny intsony angamba ka niverina nody ihany. Heverin’izy ireny ho toy ny manao tsikonina angamba ny fiainam-panambadiana ka mbola hiantohan-dRay aman-dReny sy ho feno tambitamby hatrany. Efa salama moa ny Renin’io zaza io raha ny vaovao azo farany. Mbola tsy fantatra kosa izay fepetra horaisina mikasika ity zaza tsy ampy taona nitsoaka ity sy ilay olon-tiany. Tsiahivina moa fa misy hatrany ny ankizy miala ny tokantranon-dRay aman-dReniny eto amintsika. Ankoatra ny fanarahany ny olon-tiany tahaka ity niseho tany Morondava ity dia misy ireo ho entin’ny naman-dratsy raha misy koa ireo hiharan’ny herisetra hataon-dRaikeliny na Renikeliny ka lasa manaotao foana tsy fidiny.
Pati
Legende : Betsaka ireo zaza tsy ampy taona mitsoaka miala ny tokantranon-dRay aman-dReniny amin’izao !
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny