Tafavoaka ihany izy io, raha ny loharanom-baovao azo, ka olom-boafidy mpanakanto iray sy teratany vahiny iray no voatonontonona ho mpitondra ny entana. 32 kg eo no voaresaka tamin’io, ary voalaza ihany koa fa nisy entana 12 kg hafa roa nentina olona roa hafa, ary samy tafavoaka ireo. Efa 56 kg no tafavoaka vao tsy ela, raha ny fanamarihana. Voalaza fa niova ny paikady fanondranana eny amin’ny seranana satria efa tsikaritra matetika ny fitaovana toy ny fiara fampiasa tamin’izany, ary tahaka izany ihany koa ny fomba fanaovana azy. Mandeha hatrany ny fanondranana, saingy niova ny tetikady, olona manan-katao sy manana fahefana no voatonontonona hatrany ho atidoha, hoy ny fanamarihana. Tsy vao sambany no nahenoana anarana mpitondra ambony, vadina olona ambony,… izay nisy mihitsy aza voasambotra, saingy nangina. Betsaka izay trafika efa nandeha izay saingy vitavita ho azy. Matetika amin’ny dian’ny manam-pahefana ambony ho any ivelany no handrenesana ahiahina trafika. Sanatria mba samy manao izay ho afany amin’ny fitondrana bolongam-bolamena ve hitondrana voandalana rehefa mody? Ahiahy ireny, fa ny azo antoka aloha matoa misy foana ny trafika izay ny ankamaroany tsy tratra, ary izay tratra matetika hahenoana anarana olona ambony, dia mazava izany fa tsara aro ny mpanao trafika matoa mandeha foana ny afera satria tena matanjaka sy manana fahefana na akaiky ny manam-pahefana ny tompony, ary ampahany vitsy ireny sarona ireny. Hatramin’ny tahirim-bolamena tany amin’ny Biraon’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany aza nanjavona, saingy noboriboriana tamin’ny hoe: mety efa tamin’ny fitondrana teo aloha, kanefa ilay notononona aza nanao fanamarinana ara-dalàna. Matetika mankany Dubaï foana no tena handehanan’ny volamena Malagasy. Isika izay vao tapa-bolana lasa izay no nambaran’ny Filoham-pirenena fa tsy ho ela dia hisy ny sidina mivantana mampitohy an’i Nosy Be sy Dubaï. Zava-dehibe io amin’ny lafiny fizahantany, saingy miakatra ihany koa ny ahiahy amin’ny hitomboan’ny resaka trafikana harem-pirenena. Tsy vao sambany rahateo no nisian’izany niainga avy tao amin’ity toerana isan’ny ifamezivezen’ny mpizahatany, ary isan’ny vavahady fivoahana sy fidirana an’i Madagasikara ity.
Toky R
Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.
Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka
Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.
Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny