airtel

Actualités

30-déc-2024

Trafikana hazo sarobidy

Tambajotra iray sarona tany Ivoloina Toamasina

Sample post image

Kamiao miisa 3 nitondra hazo voamboana (palissandre) miisa 341 sy hazo ala (Nato) miisa 264

30-déc-2024

tsy ara-dalàna no saron’ny zandary tany Antaratasy-Ivoloina any Toamasina ny 27 desambra teo, raha ny tatitry ny Minisiteran’ny tontolo iainana. Sambo avy any Mananara Avaratra no nitondrana ireto hazo ireto ary nampidirina tao anatin'ireo kamiao 3 ireo tao Foulpointe. Olona miisa 8 no voasambotra niaraka tamin'ireto hazo ireto izay nahitana ny tompon'ny hazo ary ny mpamily ny kamiao. Nogiazana avokoa ireo kamiao miisa 3 ireo sy ny hazo niaraka taminy. Ireo olona tratra kosa dia efa miatrika ny fanadihadiana iarahan'ny DREDD Atsinanana sy ny zandarimariam-pirenena, ary tsy maintsy hatolotra ny fitsarana aorian'izany, hoy hatrany ny tatitra. Ankasitrahana tanteraka ny fanomezam-baovao avy amintsika nahafahana nahatratra ity fitrandrahana an-tsokosoko ity, ary manasa anao hiantso hatrany ny laharana maitso 955 raha mahatsikaritra fitrandrahana an-tsokosoko harena voajanahary, hoy ny fanentanana. Zava-dehibe ny vokatra tahaka izao, saingy marihina hatrany fa tena henjana ny tambajotra mpandripaka ala arovana sy mpanao trafikana harem-pirenena na biby io na zava-maniry eto amintsika. Isan’ny tena mahasarotra ny ady atao ny fisiana olona ambony sy manam-pahefana ao ambadika sy mpiray tendro. Raha ny resaka fandripahana ala sy fitaterana hazo sarobidy ohatra, dia vao nanaovan’ny Firaisamonim-pirenena maro be fanamarihana ny fisian’ireo olom-boafidy tafiditra tamin’ireo raharaha goavana toa ninianana nampanginina. Efa zava-dehibe aloha ary inoana sy irariana mba hanao randran-tarihina amin’ny fahasahiana nanenjika sy nanagadra vonjimaika ilay depiote iray tratra tamin’ny trafikana sokatra fa raha izao no mitohy dia ho anarana sisa hotsaroana sisa ireo harena voajanaharin’i Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap