airtel

Actualités

01-juil-2025

Trafikana varika 4 saika hoentina any Dubaï

Kaomorianina sy Malagasy iray sarona teny Ivato

Sample post image

Olona roa indray no tra-tehaka ny teo teny amin’ny seranam-piaramanidina

01-juil-2025

iraisam-pirenena Ivato raha saika hanondrana an-tsokosoko varika miisa efatra ho any ivelany. Karazana Sifaka (Propithecus coquereli), izay isan’ireo biby arovana manokana sy tandindomin-doza, ireto biby tratra ireto. Lehilahy iray, teratany Komoriana mizaka zom-pirenena Malagasy, sy vehivavy Malagasy namany ireto voasambotra ireo, raha saika hiondrana tamin’ny sidina Emirates EK 708 hiazo an’i Dubai. Araka ny fanazavan’ireo manampahefana, dia tao anaty valizy nentin’izy ireo no nahitan’ireo biby velona efatra ireo. Ho fiarovana sy fanaraha-maso ny fahasalamany, dia nalefa avy hatrany any amin’ny “centre de détention agréé” na ivon-toerana manokana mandray sy mikarakara biby tratra amin’ny heloka toy izao, ireto biby ireto. Eo am-pikarakarana ny famerenana azy any amin’ny toerana voajanahary niaviany ny tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Araka ny lalàna malagasy sy iraisam-pirenena momba ny fiarovana biby dia voarara tanteraka ny fivarotana sy fanondranana an-tsokosoko karazana biby tandindomin-doza, ary anisan’izany ny Sifaka. Tsy vaovao amin’i Madagasikara ny trafika toy izao atao amin’ny harena voajanahary, indrindra ireo zava-manan’aina tsy fahita any an-kafa, ary tena avo lenta sy olobe no mpanao azy raha tarafina tamin’ireo tranga goavana samihafa.
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

Manohitra, manome 48 ora hanesorana an’i Be-Rija ny mpiasa

Card image cap
07-mai-2026

hampiditra miliara dolara amin'i Madagasikara"

Card image cap
07-mai-2026

Araka ny lalàna tamin’ny 23 Desambra 1901

Card image cap
07-mai-2026

Miantso ny hanomezana alalana feno ny PETROMAD ny FCRTM

Card image cap
07-mai-2026

Matin'ny fitsaram-bahoaka ilay olona iray

Card image cap
07-mai-2026

Tratra nandritra ny hetsika nataon’ny

Card image cap