Tao anaty entan'ny mpandeha terat-any Malagasy iray hiondrana amin'ny sidina ET 852, nikasa ho any Addis Abeba izy ireo no hitan’ny mpiasan’ny Fadin-tseranana. Nandalo ny fisavana ity mpandeha ity, ary tsy nahitana na inona na inona tany aminy, hoy ny vaovao. Rehefa tafiditra tany amin’ny "salle d’embarquement" anefa izy dia nizotra avy hatrany tany amin’ny toeram-pivoahana ka narahin’olona iray. Nampiahiahy ny tompon’andraikitra izany fihetsika hafahafaha nataon’io olona io izany ka naverina nosavaina indray izy sy ny entany, antony nahatrarana ireo volamena lingots miisa 3 ireo. Olona miisa 2 moa no voasambotra hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Nangonin’i Pati
Legende : Nivongavongabe tahaka izao ireo volamena lingots miisa 3 ireo !
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"