airtel

Actualités

14-janv-2021

Actualités

Trafikana volamena avo lenta Ahiana ny sazy iraisam-pirenena

Sample post image

Miditra an-tsehatra sy manaraka akaiky ny fivoaran’ny raharaha mikasika ilay

14-janv-2021

 

 

 

 

trafikana volamena 73,5kg tratra tatsy Afrika Atsimo ny firenena matanjaka, toy ny Amerikanina amin’ny alalan’ny CIA (Central Intelligence Agency), ny Interpol na ny Polisy Iraisam-pirenena, ary re fa manadihady ihany koa ny DGSE (Direction Générale de la Sécurité Extérieure) an’ny frantsay, ny NAICHO Japoney. Hatreto, tsy misy ny tatitra ofisialy sy fanazavana antsipirihany mikasika ny setrin’ny fangatahana ny fampodiana ny volamena sy ireo 3 lahy avy amin’ny Fanjakana Malagasy. Na ny anaran’ireo iraka nalefa any Afrika Atsimo aza tsy nampahafantarina mazava. Ny fantatra sy efa notaterina teto omaly dia ny hoe: mihemotra amin’ny 01 febroary ny fitsarana atsy Afrika Atsimo, ary raha misy ny tsy fahampiana amin’ny fanadihadiana, dia afaka mihazo an’i Madagasikara ny Interpol sy ny mpanao famotorana Afrikanina Tatsimo. Misy ny komisionina natsangana ahitana minisitra maromaro ary ireo no tokony hiteny,… kanefa tsy nisy tatitra ara-potoana sy fanazavana ara-teknika hatreto. Mangina tanteraka ny manam-pahefana Malagasy, izay tsy ho afa-bela ao anatin’io noho ny goragora, ny fitantanana tsy mangarahara, ny kolikoly avo lenta,... Hatramin’izay teto toa vitavita ho azy sy noboriboriana tamin’ny hoe “mpanenjika tozoro afara”. Hampifoha ny fanadihadiana momba ny afera maro fa tsy hijanona amina volamena 73,5kg, mety hiteraka sazy mivantana na ankolaka ho an’i Madagasikara, tsy hahatoky antsika ny mpamatsy sy ny mpampiasa vola, ho tratry ny savahao ny fiaramanidina avy aty Madagasikara,… Azo lazaina ho Firenana mpiara-miombon’antoka voalohany amintsika ireo voalaza etsy ambony. Manana dian-tànana sy ny teny farany ao anatin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena. Sarotra ny hampiverina haingana ny fitokisana ny manam-pahefana Malagasy satria maro ireo afera naha ratsy laza antsika, indrindra nanomboka ny tetezamita.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap