airtel

Actualités

31-janv-2025

Trafikana volamena tsy mety tapitra

1,780kg indray tratra teny Ivato omaly

Sample post image

Bolongam-bolamena na « lingot » milanja 1,780kilao indray no tratra tamina mpandeha saika

31-janv-2025

hiondrana tamin’ny sidina Ethiopian Airlines ET 852 omaly alakamisy 30 janoary 2024. Napetraky ny mpiray tsikombakomba mialoha tany anaty koveta fivoahana (toilettes)-n’ny « salle d’embarquement » ity volamena ity no nalain’ny olona hitondra azy. Tsikaritry ny mpiasan’ny Fadintseranana dieny mialoha ny anefa ny fihetsik’ity mpandeha ity ka vao nivaoka ny fivoahana izy dia tratra avy hatrany, raha ny tatitra. Eo an-dalam-pikarohona ny mpiray tsikombakomba aminy ny Fadintseranana ankehitriny, hoy ny fampitam-baovao. Fanintelony hatramin’ny volana desambra izany izao ny trangana trafikana volamena sarona, izay saika ho any Dubaï avokoa amin’ny ankampobeny no hitondrana azy. Nisy 13kg mahery sarona, teo ihany koa ilay 53,7kg, dia izao mbola misy tranga izao ihany. Hatreto, saika ireo mpitondra ny entana hatrany no sarona sy manefa fa tsy mety mivoaka kosa ny hoe : iza marina no tena matretre ao an-damosin’itony afera goavana itony ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap