airtel

Actualités

04-mai-2022

Actualités

Tranga hafahafa Maty tampoka ilay voalaza fa zandary sandoka

Sample post image

Nindaosin’ny fahafatesana tampoka ny alatsinainy maraina teo Rakotonirina Tahianjanahary Jean Luc na i Nantenaina Rakoto, lehilahy voalaza fa nisandoka ho zandary, nosamborina tany Foulpointe ny 10 aprily teo.

04-mai-2022

Nakarina taty Antananarivo hanohizana ny fanadihadiana azy, saingy izao namoy ny ainy tampoka izao. Nisy ny fanambarana nataon’ny zandary notarihin’ny Talen’ny Filaminana sy ny fanomezam-baovao Jeneraly Ravoavy Zafisambatra omaly, izay naneho fa taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana nahafahana nitazona azy, dia nalefa tany amin’ny fianakaviany ary narahi-maso. Mbola nantsoina indray mandeha izy, natao fanadihadiana, olona salama tsara afaka miatrika famotorana no hita, kanefa maty tampoka. « Izaho teo akaikiny foana, tsy nisy olana ary teo akaikiny foana aho hatramin’ny nisian’io olana io. Tonga avy any Ambalavao izahay, nijanona teo amin’ny vavahadin’ny Toby Ratsimandrava, dia hoe handeha hisakafo. Nilaza i Nantenaina fa misy olona fantany tao ka nitarika hoe: andao hisakafo ao, olona 4 niaraka tamin’ireo zandary nitondra azy. Rehefa avy nisakafo, ka handeha famotorana satria niantso ny kapiteny mpanao famotorana no nitambotsotra tampoka, nisy ra nivoaka ny vavany,…”, hoy ny fitantaran’ilay tovolahy fianakaviany. Olona tsy taizan’aretina ary salama tsara anefa i Nantenaina niala ny trano handeha hohadihadiana, raha ny fanamarihana. Nanipika kosa ny zandarimariam-pirenena fa tsy misy sanatria hoe fihetsika na herisetra avy amin’ny zandary mpanao famotorana no nahafaty azy. Eo anatrehan’ny fanontaniana amin’ny mety ho fisian’ny olona niray petsapetsa taminy mety nahatonga izao fahafatesana izao, dia mitohy ny fanadihadiana, ary raha ilaina aza dia azo atao tsara ny mamantatra ny antonanton’izao fahafatesana izao, hoy ny fanambarana. Omaly moa no voalaza fa natao fizahana na « autopsie » ny razana. Nanamafy ihany koa ny zandary, fa ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka amin’ny hoe: nanaovany zandary sandoka, ka ny olona mety ho voakasikasik’izany sy tao ambadika tamin’ny asa sandoka maha zandary, dia azo atao hatrany ny mamotopotra azy ireo.
MATY NIALOHAN’NY SAIKA HITONDRANY FANAZAVANA
Tetsy ankilany, mbola namoaka tao amin’ny tambazotran-tserasera tao anatin’ny Vondrona Ny hatagny Ambalavao Tsienimparihy i Nantenaina Rakoto nialohan’ny nahafatesany nilaza hoe : « Akory aby, hivoaka tsy ho ela eto amin’ny Facebook ny publication mahakasika an’iny publication tsy marina mahakasika Nantenaina iny afaka fotoana fohy fa tena afa-baraka fotsiny ny tena. Miandry confirmation avy amin’ny lehibe izay vao mivoaka. Miandrasa kely Tompoko ». Maty nialohan’ny famoahana izany anefa izy, izay toa mampitoetra ny ahiahy fa mety novonoina ankolaka teo anatrehan’ny saika hitondrany fanazavana ? Nanana basy, nanana fanamiana samihafa,… izy ka mety avy aiza ny loharanon’izany ? Mety ho antony nifofoana ny ainy ve mba ny tsy hivoahan’ny tsiambaratelo momba an’ireny ?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap