airtel

Actualités

06-sept-2021

Actualités

Tranga hafahafa Nodimandry ilay tovolahy namono biby

Sample post image

Tovolahy iray vao 18 taona monja no maty noho ny famonoana biby teny Ankaditoho Marohoho.Niaraka tamin'ny namany ity tovolahy ity nandritra izany.

06-sept-2021

 Nahita bibin-javatra teo akaikin'ny toerana filalaovan-dry ry zareo baolina izy roalahy nandritra izany ka nalain'ilay namany iray ilay biby dia natsipiny tany amin'ity tovolahy namoy ny ainy ity ary nodakany izany. Natsipin'ilay namany tany anaty rano ilay biby avy eo. Tonga tany an-trano ity tovolahy ity dia gaga ny tao an-trano fa narary ny tongony ary avy eo sitrana ka narary koa ny havanana dia sitrana indray . Niakatra tany amin'ny kibo izany avy eo, ka sitrana indray ilay kibony. Narary indray ny tanany…. Nankany amin'ilay toerana niavian’ny loza ny fianakaviana taorian’izany mba hifampiraharaha amin'ny tompon'ilay toerana. Tsy niteny izay tokony hatao anefa ireto farany.Niezaka nitsabo sy nitady izay tokony hatao anefa ny fianakaviany taorian’izany saingy tana intsony ny ainy. Tamin'ny 02 Septambra lasa teo ihany koa anefa nisy nivalan-drano teo amin'ilay toerana izay niavian'ilay loza araka ny fitantaran'ity olona akaiky ny fianakaviany ka maty avy hatrany ilay olona izay naman'ity tovolahy ity ihany. Talohan'izay nahafatesan’ity tovolahy ity moa dia nanao krizibe foana izy ary nijaly.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap