Misy lehilahy ihany koa anefa izy ireny raha araka ny fanadihadiana natao ary mitovy tsy misy valaka ny zavatra hataony mandritra ny fivoahany amin’ny alina. Raha araka resaka nifanaovana tamina mpahay fomban-drazana iray dia vokatry ny fitazonana ody no mitarika ny olona iray hamosavy. Anisan’ireny ny ody fitia hakana izay tovolahy mba tiany sy mahafatifaty azy ho an’ny tovovavy. Eo ihany koa ody hiarovan-tena….izay tsy mamela ireo maka azy any amin’ireo heveriny ho mpahita ny ho avy na mpitaiza azy fa mitondra azy mivoaka alina mihitsy. Misy ihany koa ireo nandova izany avy tamin-dRainy na Reniny efa maty ohatra ka nandray ny tanany farany teo am-pialany aina hoy hatrany ity mpahay fomban-drazana iray ity. Ho an’ilay tovovavy iray niboridana nanafosafo fiara teny Ambatolampikely lalam-pirenena faharoa nalain’ny olona sary tamin’ny Alahady alina teo ohatra dia nizara maromaro ihany ny sain’ireo mpanara-baovao. Misy mantsy ireo nilaza fa tsy salama saina io tovovavy io raha nisy ihany koa ireo nilaza fa tena mpamosavy izy. Ny tena nampalahelo tamin’ity tranga ity dia ny fanapariahana ny sariny tamin’ny tambajotran-tserasera izay mendrika fanalam-baraka ihany ary henjehin’ny lalàna. Tsy misy afa-tsy ny fanolorana azy tamin’ny tompon’andraikitra ihany tamin’ny ankapobeny no tena vahaolana. Tsy fantatra intsony mantsy na karazan’irony tovovavy avy notsindromina roro irony dia naboridana ity tovovavy ity ary tsy niverina ny sainy….
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy fantatra intsony na mpamosavy ity tovovavy iray tratra teny amin’ny RN 2 ity na tsia
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny