airtel

Actualités

04-janv-2023

Actualités

Trangana asa ratsy nandritra ny fety Olona 164 no nosamborina nanerana ny Nosy

Sample post image

Nahazo vahana ireo karazana asa ratsy rehetra nanerana ny Nosy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao farany teo.

04-janv-2023

 Anisan’ireny ny halatra miaro herisetra niaraka tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy. Iray io tranga io. Halatra miaro herisetra niaraka tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana toy ny antsy kosa ny 06 raha halatra miharo vaky trano ny 10. Nahatratra 11 isa kosa ireo trangana fanendahana, Miisa 17 ny halatra tsotra, iray ny halatra moto raha fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina ny 04 . Miisa 92 kosa ireo reo olona nampiahiahy nosavaina raha miisa 4 mamo ankalamanjana. 21 ireo saika hangalatr, 03 ny razana hita.
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA 20
Miisa 20 kosa ireo lozam-pifamoivoizana nitranga ka miisa 11 ireo naharatrana olona raha miisa 17 kosa ireo naratra vokatr’izany. Miisa 06 indray ireo loza nahafatesan’olona ka ny 01 no namoy ny ain’olona tamin’izany. Miisa 03 kosa ireo loza nahasimbana fananan’olona. Mikasika ireo fitaovam-piadiana tratran’ny Polisim-pirenena tamin’ny taona 2021 dia miisa 143 izany tamin’io taona voalaza etsy ambony io raha 43 tamin’ny taona 2022. Nahatratra 1 344,5 Kg ny cannabis tratra tamin’ny taona 2021, 10 grama ny cocaïne,109 grama ny heroine, 1,8 g ny métamphétamine. Nitombobe izany tamin’ny taona 2022 lasa teo ka nahatratra 448,506 Kg ny cannabis sarona, 88,6 g ny cocaine, 129,62 g ny heroine, 4,4 g ny métamphétamine.Miisa 3023 moa ireo mpitandro ny filaminana nahetsika manerana ny Nosy nandritra ireo 2 andro ireo.
Pati
Legende : Maro ireo olona nanao ratsy fotsiny nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao teo.
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.

Card image cap
02-oct-2023

Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka

Card image cap
02-oct-2023

Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.

Card image cap
28-sept-2023

Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny

Card image cap