airtel

Actualités

25-nov-2024

Trano fivoahana ho an’ny daholobe

Ny 20%-n’ny olona mampiasa azy ihany no manasa tanana

Sample post image

Ny 20%-n’ireo olona mampiasa ny trano fivoahana ho an’ny daholobe eto an-drenivohitra

25-nov-2024

ihany no fantatra fa manasa tanana rehefa avy mivoaka. Ny ankoatra izay raha araka ny fanadihadiana natao dia mandeha amin’izao avokoa. Anisan’ny mampahazo vahana ny aretim-pivalalana sy ny aretin’ny taovam-pisefoana ary ny gripa mahery eto amintsika izany raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray. Toraka izany koa ny lefakozatra. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika avy amin’ny tanana maloto avokoa no miteraka ireo karazan’aretina tonga ao amin’ny vatana. Lohalaharana amin’ireny ny mikraoba entiny izay mety ho tonga hatrany am-bava mihitsy vokatr’izay tsy fahazarana manasa tanana izay. Tokony hanasana tanana hatrany araka izany rehefa avy any amin’ny trano fivoahana ny olona. Tokony hanasana tanana rehefa hikarakara sakafo, rehefa hisakafo…Raha vantany vao afaka manao izany ny olona iray dia tokony hanao izany hoy ny mpitsabo koa raha tsy misy aza ny savony dia mety tsara ny mampiasa lavenom-potsy.
Pati
Legende : Miantoka ny fahasalamana amin’ny ankapobeny ny fanasana tanana matetika 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap