Fikambanana sy Firaisamonim-pirenena miantsehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly nilaza fa toherina ny fizarana vaovao diso sy lainga manoloana ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa. Notsiahivin’ny TI-IM fa programan'ny fanjakana anglisy ny famotsorana mialohan'ny fe-potonan'ny sazin'ireo ireo voafonja tsy mahery fihetsika. Noho io programa manokana io, dia nafindra any amin'ny tany izay ananany zom-pirenena ny voaheloka, ary tsy afa-miverina ao Angletera, ary mbola mitombona ny fanamelohana. Hita noho izany, fa nisy ny tetika nataon'ity olom-boaheloka ity ho fanovana ny fizotran'ny zava-niseho, mba handresen-dahatra ny mpanara-baovao, na eto Madagasikara na any ivelany, fa madio tokoa ny tenany, ary vokatry ny fiheverandiso sy tsy fahazahoana ny zava-niseho izao raharaha izao, mba tsy hilazana ny tenany ho niharan'ny tsindry hazo lena, hoy ny TI-IM. Toherin'ny TI-MG marindrano izao tetika famafazana vaovao tsy marina izao iray amin'ireo sakana amin'ny mangaraharaha sy ny fahitsiana, ary deraina manokana ny fihetsiky ny Masoivoho Birtanika eto Madagasikara izay namoaka fanambarana ny 7 aogositra 2024 momba ity raharaha ity ary nanazava ny sain'ny olompirenena sy namerina ny marina : « Mbola mihatra ny fanamelohan'an-dRamatoa Andrianarisoa noho ny fanaovana kolikoy, fa tsy nofoanana na novaina », hoy hatrany io Firaisamonim-pirenena. Mazava koa ny voalazan'ny mpampanoa lalàna ao Angletera izay misahana ny heloka bevava ara-toekarena eny amin'ny Crown Prosecution Service, fa mpiasam-panjakana mpanao kolikoly i Romy Andrianarisoa, ary nisafidy ny hanangon-karena ho azy manokana tamin'ny asam-panjakana nosahaniny ». Nohitrikitrihin’ny TI-IM, fa tsy azo leferina ny kolikoly, na inona na inona toerana sy hery ananan'izay olona tomponʼantoka amin'izany. Niantso ny Fitsarana Malagasy handray ny andraikiny manoloana ity raharaha Andrianarisoa ity ihany koa izy ireo, mba hisian'ny sazy araka ny lalàna ho an'ireo manam-pahefana ambony izany nanao kolikoly. Nampahatsiahy fa tokony homena toerana mavesa-danja ny ady amin'ny kolikoly ao anatin'ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na PGE izay vao hatolotra. Manantena fandraisan’andraikitry ny BIANCO izay vao nahazo Tale Jeneraly vaovao! Ho sahy hampiseho ohatra ny Fanjakana eo anatrehan’ity raharaha ity sa hinia mikipy ?
Toky R
Nifanontona tamin’ny fihaonambe faha 5 an’ireo mpitondra fanjakàna anatin’ny vaomieran’ny
Niseho indray ny tsy nampoizina omaly teny amin’ny CCI Ivato, tao anatin’ny fanokafana ny Fivoriamben’ny
Filaminana sy fahaleovantena ara-tsakafo ho fampivoarana ny tsenan’ny Indianocéanie”,
Naverin'i Maurice amin’i Madagasikara ireo volamena milanja 25,5 kg izay nisy nanondrana
Miezaka hanome ny tsara hatrany amin’ireo tolotra ara-pizahantany ireo
Hotanterahina ny 28 Aprily hatramin’ny 04 Mey 2025 ny “Foire Digitale” na