airtel

Actualités

19-avril-2023

Actualités

Trésorerie principale » Ambalavao Nanjavona ny 400 tapitrisa Ar, olona 7 nosamborina

Sample post image

Tsy trano vaky, tsy vata fitoeram-bola na “coffre” very na vaky, fa dia nanjavona ny volabe 400 tapitrisa ariary tao amin’ny « trésorerie principale » Ambalavao,

19-avril-2023

faritra Matsiatra Ambony Faritanin’I Fianarantsoa ny faran’ny herinandro teo. Nivaha tamin’ny fomba ara-dalàna ny fitoeram-bola, fa ny vola efa tsy tao intsony tsikaritra, ary voalaza fa ny alin’ny 14 aprily tany ho any no vaky, saingy nosarontsaronana. Olona 7 no efa nosamborina hanaovana fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Mpitandro filaminana no miambina azy io, mifandrimbona amin’izany ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena, ary mifandamina ka miovaova isam-bolana amin’ny fiambenana. Ny polisim-pirenena no miandraikitra izany amin’ity volana ity, fotoana nisian’ny fahaverezam-bola be. Izy ireo no miantsoroka ny fanadihadiana, ka nisamborana ireo olona 7 ahiahiana. Mbola tsy fantatra mazava ny zavatra nitranga, saingy ahiana ho tetika sy tsikombakomba avo lenta efa tsara omana.
KARAMA TSY VOALOA
Nialohan’ity tranga ity, dia efa niteraka resabe ny tsy fandraisan’ny mpiasan’ny kaominina Ambonivohitr’ Ambalavao karama efa tao anatin’ny 3 volana, ka nisian’ny fitokanan’izy. Voalaza fa tamin’izany fa 420 848 415Ar ny totalin'ny volan'ny Kaominina Ambalavao mipetraka sy mihitsoka any amin'ny “trésor” na tahirimbolam-panjakana. Voalaza fa mitotaly eo amin’ny 44 755 443 Ar ny karaman'ny mpiasa isam-bolana ka 134 233 329Ar ny karama 3 volana, raha ny tatitra. Misy ifandraisany ve ireo toe-javatra miisa 2 ireo sa fifandrifian-javatra ihany? Efa nilamina ny volan’ny kaominina sa ity nisy nanapoaka ity ? Tsy vao sambany amin’ny resaka fanjavonana volabe na fanodinkodinana na koliloly ao lenta teto itony, indrindra tao anatin’izao fitondrana izao itony. Andrasana ny ho tohin’ity raharaha ity hoe: hivoaka ve ny marina? Ho tafaverina ve ny volabem-panajakana nisy nangalatra tamin’ny fomba avo lenta sa ho vitavita ho azy tahaka ny volamena 36kg nivadika ho korotam-by tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Namoahana fanairana na "Alerte orange" ny tafika, raha ny taratasy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera,

Card image cap
22-sept-2023

Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.

Card image cap
22-sept-2023

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.

Card image cap
22-sept-2023

Lehilahy roa 43 sy 54 taona no nidoboka am-ponja rehefa tratra teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ,

Card image cap
22-sept-2023

Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.

Card image cap
22-sept-2023

Tsy mifidy tany ny fahaizana manazatra ny baolina kitra! Tena mamiratra any Seychelles i Tsiahavahana Solofo Ramarolahy.

Card image cap