airtel

Actualités

21-oct-2025

TRIADE SENDIKALY-Fahasalamana

« Vahaolana tonga dia mihatra

Sample post image

no ilaina fa tsy adihevitra momba ny olana intsony »

21-oct-2025

Goavana ny fanovana sy fanatsarana mila irosoana raha ny eo amin’ny sehatry ny fahasalamana manokana hoy ny ny TRIADE sendikaly izay ivondronan'ny mpitsabo, mpitsabo mpanampy ary mpadraharaha mitaky sy mitolona ho an’ny tombontsoan’ny mpiasan’ny fahasalamana. « Responsabilité partage » ny fanarenana azy io fa tsy an’ny filoham-panjakana irery ihany hoy Atoa RAKOTOARILISON Armand, filohan’ny sendikan’ny paramedy no filoha lefitry ny TRIADE. Izany indrindra no antony angatahanay fihaonana amin’ny filoha am-perinasa amin’izao fotoana, hanazavana ny anton’ny tolona ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana ankehitriny hoy Atoa Andry Hiankinana Tsialofana, sekretera jeneralin’ny TRIADE. Tsara marihana fa tao anatin’ny « revendication » ny TRIADE sendikaly efa volana maromaro izay. Tsy azo everina intsony hoy izy ireo ny hanaovana lobary an-dasy hijerena ny olana izay efa nampahafantarin’izy ireo tamin’ny hetsika samihafa, fa ny famahana izany sy fanatanterahana ireo vahaolana naroson’izy ireo no mila irosoana. Santioany amin’ireo mila jerena manokana hoy izy ireo ny fampiakarana ny « indamite de logement », ny fampitomboana ny isan’ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fanaovana « recrutement »,… Mbola mitohy ny tolona ho an’ity sendika ity saingy miova ny endrik’izany satria hatreto dia tsy mbola mahafa-po ny fifampiresahana izay nandraisan’ny solotenam-panjakana azy ireo teo aloha. Ankoatra ny famahana ny olan’ny mpiasa dia takian’izy ireo ny hanovana tanteraka ireo ekipan’ny Mininistry ny Fahasalamana teo aloha izay nanao antsojay tamin’ireo mpiasa samihafa. Ohatra ny fanapahana karama, fanaovana « affectation » amin’ny tsy rariny, fanejehana mpiasan’ny fahasalamana eny amin’ny tribonaly,… Eo ihany koa ny hanafoanana ny « sursis » ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny randrana sendikaly ary ny filohan’ny SECES. Antenain ‘izy ireo mba ho olona mahafantatra tsara ny minisitera, olona ankasitrahan’ny mpiasa samihafa sy ireo sendika no ho Minisitra vaovao hisahana ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nitondra teny fiarahabana manokana ho an’Atoa filoha moa ity sendika izay tarihan’ny filohany Dr RAVELOJOELY Andriambeloaritafika Aurelin ity omaly nandritra ny tatitra nataony nanoloana ireo mpiasan’ny fahasalamana tetsy Ambohidahy.
Lalaina Rav
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap