airtel

Actualités

03-juil-2026

TRIBONALY ANOSY

Mpanao taxi-moto maty tampoka

Sample post image

Raim-pianakaviana iray

03-juil-2026

mpanao taxi-moto no fantatra fa maty tampoka teo akaikin'ny tribonaly Anosy omaly Alakamisy 02 Jolay maraina. Raha araka ny fanadihadiana natao dia niantso olona tamin'ny taxi-phone Itompokolahy. Tsy fantatra anefa na niasa saina mafy loatra izy na ahoana fa nitambotsitra tampoka arry maty teo noho eo. Niezaka niantso ilay olona nantsoiny tamin'ny finday moa ireo nanatri-maso noho izany saingy tsy tratra antso intsony itsy voalohany . Ilay mpanao taxi-moto koa tsy mmnisy taratasy nahafantarana azy tany aminy. Efa tonga nijery ny razana moa ireo tompon'andraikitra hoy ny vaovao. Mbola tsy fantatra kosa izay fianakavian'ny maty. Nambaran'ny mpitsabo iray fa ny fahatapahana lalan-dra no anisan'ny mahafaty olona tampoka tahaka izao indrindra fa ny any amin'ny loha. Ankoatra ny fiasan-tsaina diso tafahoatra dia antony mahatonga ny AVC ihany koa ny tsy fitandremana ny sakafo hanina. Tsy mifidy taona intsony moa ny AVC ankehitriny. 18 taona ny zandriny indrindra voany, raha araka ny fanazavan'ny mpitsabo hatrany.
Nangonin'i Pati
Légende : Nihinjitra tampoka tahaka izao ilay mpitondra taxi-moto !

 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety

Card image cap
02-sept-2026

10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina !

Card image cap
02-sept-2026

an'i Madagasikara amin'ny bisikileta

Card image cap