airtel

Actualités

25-avril-2023

Actualités

Trosa misavovona sy olana ara-bola… Lasa sorona amin’ny deslastazy ny vahoaka

Sample post image

Hatramin’ny sabotsy lasa teo no nisy olana ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina noho ny tsy fahampiana solika mavesatra, araka ny serasera natao.

25-avril-2023

Mbola nanamafy izany ny Jirama omaly, nilaza fa mbola io tsy fahampiana “fuel lourd” io dia voatery miroso amin’ny fahatapahan-jiro mifandimby. Nomarihina fa ny atoandro ihany no hampiharana ny fahatapahan-jiro mifandimby fa tsy hisy kosa izany mandritra ny fotoana mahabetsaka ny filàna herinaratra ny hariva. Rakotra ny delestazy ny tanàna maro teto an-dRenivohitra sy ny tapany Atsinanana amin’iny manamorona ny RN2 toa ny distrikan’I Manjakandriana iny omaly. Manodidina ny 2 ora sasany eo ny fahatapahana nolazaina, saingy mbola zava-doza noho izany ny zava-mitranga, ny fahatapahana mitsitaitaika manimba zavatra tsy lazaina intsony,… Lazaina hatrany fa am-perinasa mamaha ity olan'ny famatsiana solika ity ny Jirama sy ny Ministera Angovo sy akoran’afo mpiahy, ka inoana fa hivaha tsy ho ela izany ho an'ireo faritra rehetra voakasika, hoy ny serasera. Inona marina moa izany ny mampikorontana ny famatsiana solika sy solika mavesatra ho an’ny Jirama izay nangotraka tato anatin’ny tapa-bolana izay? Rehefa zohiana, olana ara-bola no lasa hanaovana sorona ny vahoaka sy ny fihariana samihafa. Voalaza mantsy, fa manomboka sosotra ireo mpamatsy solika sy herinaratra amin’ny Jirama, ka misy amin’ireo orinasa no efa maneho izany fahasosorany izany. Iaraha-mahalala rahateo, ary efa noresahantsika matetika, fa tsy afaka manao “requisition” intsony ny Fanjakana amin’ny resaka solika. Miankina amin’ny vola eo am-pelantantana mazava ho azy amin’ny ankampobeny no ahafahana manjifa ny filàna. Iaraha-mahalala ihany koa fa mivarotra fatiantoka ny Jirama. Rehefa zohiana, noho ny trosa misavovona amin’ireo mpamatsy solika sy mpamatsy herinaratra no mahatonga an’izao olana goavana izao, izay mariky ny fahalemen’ny Fanjakana. Hatramin’ny volan’ny FR (Fonds Routier) 600 miliara Ar anefa lazain’ny depiote fa nalefa tany amin’ny Jirama, raha ny nambaran’ireo orinasa mpikojakoja làlana tsy nahazo ny volany. Henjana ny fifehezana ny zava-misy, ary hatramin’izao rahateo mbola tsy misy Tale Jeneraly, fa mbola miandry satria nambara rahateo fa antso iraisam-pirenena no atao ao anatin’izany noho ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny mpamatsy vola.


SERASERA NO MIPOAPOAKA
Mandeha ny serasera sy ny fizahozahoana amin’ireny fitokanan-javatra samihafa ireny, kanefa ny volan’olona toa tsy voahefan’ny Fanjakana raha zohiana amin’io raharaha Jirama io ankoatra ny sehatra hafa tahaka ny an’ireo mpanamboatra làlana? Izao ve ilay hoe: tsy handroso intsony I Madagasikara raha tsy mandroso miaraka amin’I Andry Rajoelina? Ny “Branchement mora” tatatataina, kanefa ny tolotra mitsipozipozy sy tsy ilaozan’olana? Handeha indray ve ny serasera tahaka ny raharaha lavanila ka ny Filoha indray no handeha hiresaka amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Jirama vao hilamina?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap