airtel

Actualités

28-oct-2022

Actualités

Tsena 82 may tetsy Anosibe Misy mivoy ambadika politika

Sample post image

Nirehitra ny alin’ny alarobia 26 oktobra hifoha omaly alakamisy ny ampahan’ny tsena eny Anosibe. Tsena 82 mandrafitra ireo hangars F sy G no may,

28-oct-2022

kila hatrany amin’ny 90% ny fivarotana legioma, raha toa ka manodidina ny 20 kosa ny an’ireo mpivaro-kena. Nanomboka tamin’ny 11ora alina tany ho any, ary efa diva haraina vao maty ny afo, akoson’aratra niainga tamin’ny tsena iray no voalaza fa niteraka ny afo, toerana tsy dia mampiasa herinaratra, fa ireo mpivarokena mampiasa “congélateur” indray no tsy niaingany hoy ny fanamarihana. Efa niezaka ny namono ny afo ihany ireo fokonolona teny amin’ny manodidina nahita ny tranga saingy tsy afa-nanoatra. Sady nahery mantsy ny rivotra hoy izy ireo tamin’iny alina iny no betsaka ihany koa ireo natahotra ny fanararaotana hataon’ireo mpanendaka sy mpamono olona. Somary nisy olana ihany koa tetsy andaniny ny paompy nahafahan’ny mpamonjy voina naka rano. Nisy moto anankiroa nipoaka, izay heverina fa avy amin’ireo no heverina fa nahahenjana ny firehetana, hoy ny fanamarihana, izay naneho fa tsy tokony hampidirina any anaty tsena ireny. Mangataka fiarovana amin’ny fahamaizana mety mitranga tampoka ao amin’ny faritra misy azy ireo mpivarotra etsy amin’ny tsenan’ Anosibe. Entana sy lela-vola nangonina nandritra ny fotoana maro an-tapitrisany maro mantsy no lasa lavenona tao anatin’ny fotoana, tranga izay nambaran’izy ireo fa tena tsy nampoizina tokoa. Mangataka ny mba hametrahana ireny ivon-toerana hahafahana misintona rano hamonoana ny afo ireny araka izany ireo mpivarotra etsy Anosibe. Mangataka ny hanamorana ny fanefana ny volan’ny banky izay nindraminy,…
MISY MIVOY AMBADIKA POLITIKA
Tsiahivina fa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana no nanamboatra ny tsenan’Anosibe, ary mbola nanatsara an’I Rtoa Ravalomanana fony izy Ben’ny tanànan’Antananarivo. May ny ampahan'ny tsena omaly, kinga be ireo “compte fake” ny hanilika fa tompon'antoka amin’izany ny mpanohitra Tsy misy tsy mahalala anefa fa laharam-pahamehan'izao fitondrana izao ny hamafa ny dian-tanan-dRavalomanana nanomboka tamin’ny famotehana ny RNM/TVM izay vao avy nohatsarain-dRavalomanana, fivarotana ny air force one,… hoy ny fanamarihana. Sao sanatria misy ambadika politika tokoa saingy hafa ny endriny?
Toky R sy Pati 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap