malalaka iarahan'ny firenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Afrikana izay tsena misy mponina 1,3 miliara. Mampieritreritra ny mpiantsehatra ny Minisitra Edgard Razafindravahy, omaly nandritra ny lanonam-panokafana, alohan’ny hanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny ZLECAF. Tokony hanokatra ny masontsika ny fidiran'i Madagasikara tao amin'ny SADC sy COMESA, hoy ny Minisitra raha nisintona ny sain’ny mpiantsehatra ara-toekarena sy ny mponina izy handanjalanja fatratra, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra amin’ny hanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny ZLECAF. “Anisan'ireo firenena 54 nanao sonia ny fametrahana ny tsena ZLECAF i Madagasikara kanefa tsy mbola nanao sonia ny fifanarahana. Raha ny fiheverako dia ara-dalàna izany satria ilaina tenierana avy amin'ny mpiantsehatra ara-toekarena rehetra ary indrindra fankatoavana avy amin'ny mponina. Tsy isika irery tokoa no firenena mety hanana fisalasalana. Misy ireo firenena Afrikana mihahotra hanokatra ny tsenany”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana omaly Talata 29 Novambra 2022 nandritra ny fanokafana ny dinika. Anisan’ny mahatonga fisalasalana ny ho fiantraikan’ny fanafoanana ny haba amin’ny tetibolam-panjakana. Ahiana hitombo ny fatiantoka ara-barotra. Kely ny ahondrana noho ny afarana. Nosoritan’ny Minisitra fa mialoha ny hidirana amin'ny tsena malalaka dia tokony hanana tanjona isika. Voalohany amin’izany ny fananganana indostria matanjaka sy afaka mifaninana eto an-toerana. “Ilaina ny fotodrafitrasa handraisana mpampiasa vola tera-tany sy vahiny. Tsy misy dikany ny hisokafana amin'ny tsena Afrikana raha tsy hananana izay tanjaka ara- indostria izay”, hoy izy. “Tsy ahazo tombontsoa amin'ny ZLECAF isika raha tsy matanjaka ny Indostria eto an-toerana. Raha tsy manana vina mazava amin'ny Fampiroboroboana ireo vokatra azo ahondrana”, hoy ihany ny Minisitra Edgard Razafindravahy.
Jean D.
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny