airtel

Actualités

14-nov-2025

TSENABEN'NY

FIZAHANTANY ANDIANY FAHA-10

Sample post image

Misy tolotra ho an'ireo Malagasy te-hanao vakansy

14-nov-2025

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Alakamisy 13 Novambra etsy amin'ny zaridainan'Antaninarenina haharitra 3 andro ilay tsenaben'ny fizahantany andiany faha-10 karakarain'ny ofisim-paritra misahana ny fizahantany sy ny Ministera tompon'andraikitra. Raha ny tany ivelany no tena nihazakazahana nampahafantarina ny momba an'i Madagasikara hoy ny Ministry ny fizahantany Lily Rafaralahy omaly dia tsy tokony ho diso anjara amin'izany koa isika Malagasy. Tolotra maro ahitana trano eva manodidina ny 19 isa no manatanteraka izany mandritra ity hetsika ity ka anisan'izany ireo tolotra mora ho an'ireo Malagasy te-hanao vakansy. Notsiahivin'ity ministra ity moa fa ny 80%-n'ireo zava-manan'aina arovana dia tsy misy afa-tsy eto amintsika. Tsy lazaina intsony ny hatsaran'ny ranomasina sy ny masoandro ary ny rano izay nambarany fa tena miavaka ny tsirony. Tanjon'ity hetsika ity araka izany ny hamporisika ny Malagasy higoka ny hakanton'ny natiora eto amintsika fa tsy sanatria ny vahiny indray no ndeha hitantara sy hiresaka izany.
Pati
Légende : Nosokafana omaly tetsy Antaninarenina ny tsenaben'ny fizahantany andiany faha-10!
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap