Natomboka ny faran'ny herinandro teo ny hetsika notarihin’ny Delegen’ny Boriboritany fahaefatra. Teo amin’ny rond point misy ny biraon'ny Antenimieran-doholona Anosy no nisantarana izany nifarana teny Anosizato. Narahina ny fanentanana ireo mpivarotra sy ny mponina hanaja sy hanadio ny toerana misy azy izany. Tanjona ny hananana tsena madio sy milamina ka ny tsenan' Anosibe no hatao filamatra. Tsiahivina fa an-taoniny maro ny fako miangona etsy Anosibe isan'andro. Ankoatra ny hodi-boankazo dia marobe ireo legioma lo....miampy ny lalitra sy ny fofona maimbo ary ny rano miandrona. Andrasana koa ny fandraisan'andraikitry ny kaominina mikasika ireo olona tsy manan-kialofana monina sy mipetraka amin'iny arabe am-pitan'ny tsenan'Anosibe iny.
Pati
Légende : Nafotaka tahaka izao ny asa fanadiovana !
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»