momba ny resaka fitrandrahana, ny Pr Jonah Rasolofo, nanazava ny zava-misy ao Tsimiroro sy Bemolanga ankehitriny. Akiten no anarany tamin’izany, hoy izy. 30.000 hatramin’ny 40.000 Barilina isan’andro no nalaina tao Tsimiroro tamin’izany. Nanjavona iny. Tonga indray avy eo ny Madagascar Oil. Ny taona 2007 hatramin’ny 2011 ireo nanana praograma hamokatra hatramin’ny 500.000 Barilina isan’andro. Nanjavona ihany koa. Mpiara-miombon’antoka indonezianina sy amerikanina ary kanadianina tamin’izany olana. Tsy tanteraka ny praograma. Handray anjara ary ve izany androany isika malagasy mikasika ny Tsimiroro? Handray anjara ve ny fiangonana? Mpitrandraka nanisy fantsona tany ambanin’ny tany ny Madagascar Oil dia mivoaka ny menaka mavesatra. Efa manana menaka mavesatra izy ao. Akaikin’i Morafenobe no misy an’i Tsimiroro. Mifampitohy eo i Bemolanga. Mavesatra kokoa noho i Tsimiroro i Bemolanga. Samy azo trandrahana ireo na iza hiteny hoe tsy mety. Tsy azo ampiasaina avy hatrany ny menaka mavesatra fa tsy maintsy misy fanamboarana. Manao izany ny any Venezoela, Kanada, Rosia, Indonezia. Ampiakarina izany ny lentan’ilay menaka mba ho tonga solika manara-penitra. Iny indray avy eo no ahodina vao lasa solitany sy lasantsy. Ny resahina androany dia ny fanambarana ny fampiakarana ny lentan’ireo rehetra ireo. Atao eto an-toerana tsikelikely amin’ny sarany mora izany fa tsy lafo. Izay tsy fifanarahan’i Madagascar Oil sy ny fanjakana malagasy any tsy hidirantsika. Handray anjara fotsiny ve isika sa tsy handray anjara? 5,5 miliara eo ny barilin-tsolika voatahiry ao Tsimiroro. 1,7 miliara kosa no tena azo trandrahana, raha ny fikarohana nataon’ny amerikanina. 102 miliara de Dolara izany no azo trandrahana ka ho dakàna fotsiny ve? Bemolanga mbola avo 10 na 100 heny noho i Tsimiroro. Isika mihindram-bola 1 tapitrisa, 10 tapitrisa, 50 tapitrisa Dolara amin’ny banky iraisampirenena. Ity nefa 100 tapitrisa Dolara, vola mipetraka eo, modian-tsy hita. Modiana adala. Aleo mangataka amin’ny karàna sy ny banky iraisampirenena. Manana solika amina barika miisa 68 izany ny malagasy tsirairay avy amin’ity. 159 litatra ampitomboina 68 no dikan’izany. Solitany 10 Taonina izany na 20 tapitrisa Ariary. Manana 20 tapitrisa Ariary ao Tsimiroro ny tsirairay amin’ny vahoaka malagasy. Ny ao ambany tany mbola antsika. Tsy mifanaraka hampiakatra ny lentan’ireo ny fanjakana sy ny Madagascar Oil fa anjarantsika no tokony hanao izany, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny