isika izao, hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka, Tsivery Harisoa Mao Tse Toung. Ny taona 1947, hoy izy, nanohitra ny fanandevozan’ny frantsay fa tsy ataoko hoe fanjanahantany. Androany isika mbola manontany hoe tena efa mahaleotena marina ve? Nandeha ny tolona 1972 nanozongozonana ilay hoe fahaleovantena nomena ny taona 1960. Nandeha ny 1991, 2002, 2009. Tonga amin’izao 2025 izao isika, sanatria ve hiampita any amin’ny rantsana dimy indray? Efa tafapetraka ve ny tena fanovàna? Raha mbola hiditra amina tolona aorian’izao isika, mety azo antenaina ve ny fahafahan’izany Madagasikara izany sy ny ialàn’izany vahoaka malagasy izany amin’ny fampahantrana nifandimby teto? Mbola mipetraka izao ny fanontaniana hoe fanonganam-panjakàna iny teo iny sa tsia? Efa nolalovantsika, fara fahakeliny, in-6 izao toe-draharaha izao. Isaorana ireo miaramila tonga saina, tonga heritreritra ary atao mihitsy aza hoe notarihin’ny fanahy mba hanafaka an’i Madagasikara. Aoka mba tena hanafaka fa tsy hanafakafaka! Betsaka ny fahasimbàna, ny fahapotehana, ny tsy mandeha amin’ny laoniny intsony eto amin’ity firenena ity ary nitarika izao krizy fara-tampony izao. Tsy misy mahery noho ny tolom-bahoaka! Misy miteny moa hoe vahoaka vitsy kely ireo ve? Raha vahoaka vitsy kely ka mahita ny tsy mety eto amin’ny firenena ve izany dia tsy vahoaka? Hiandry ny rehetra ho faty ve vao hihetsika? Avelao ny olona hiteny ny marary azy! Na mpiasam-panjakàna aza eto sahirana miditra hopitaly. Aoka samy ho tonga saina! Izay ilay fanovàna tiana hotratrarina. Tsy resaka seza io fa mandiso ny tolona ny fitadiavan-tseza. Aoka apetraka ny hoe ny rafitra nisy teo no tsy mety intsony amin’ny fiainam-bahoaka, raharahan’ny fiarahamonina. Io ilay mila ovaina. Isaorana ny tanora Gen Z. Tsy vao ireo no nitolona fa tokony ho tonga saina isika hoe ny notakiana tamin’ny 1972 ihany no mbola takiana aty amin’ny 2025. Mirary ny tsy hiverenan’ny toy izao intsony aho! Niantsoantso fiovàna ny vahoaka. Isan’ny niadiana ny resaka fanotofana tany ny taona 2009. Fanontaniana tiana apetraka indrindra izao hoe mbola antsika malagasy ve i Madagasikara sa an’ny mpanam-bola? Isaorana ireo raiamandreny toy ny eveka, ny fiangonana, izay maneho hevitra ho raiamandreny rehetra amin’izao fotoana izao. Eto Madagasikara, aty amin’ny taona 2025, no misy hoe Kardinaly no hilelaka faladia, hiangavy hoe aza atao an’izao ny vahoaka! Raha tsy nisy an’ireny ve izany tsy nety nijanona? Tokony hahatonga saina ireny! Ny vahoaka koa tokony hanaja raiamandreny! Mila mihaino ny raiamandreny ihany koa isika, indrindra, ireo raiamandreny afaka hitondra antsika amin’ny fahazavàn’ny saina sy fanahy. Ny fangejan’ny herin’ny vola no nahazo an’i Madagasikara dia tsy iza fa ilay devoly. Mila mitodika amin’Andriamanitra ny vahoaka malagasy! Betsaka ny kivy sy tsy manana fanantenana intsony fa tany masina ity Madagasikara ity. Mahagaga fa ny mpitondra teto dia niteny hoe «Masina ny tanindrazana!». Ny fitondràn-tenan’ny mpitondra ve tena nanamasina ny tanindrazany sy ireo vahoaka izay entiny? Mino sy manantena aho fa hifoha ny malagasy amin’ity tolona izay irariana ny tsy hiverenany intsony ity. Raha mbola misy rà latsaka eto dia eto foana isika. Be dia be ny sorona teto amin’ity firenena ity fa ny mba tsy hiverenan’izany intsony no iantsoana fiovàna, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mitady hivadika fitsaram-bahoaka
Mazava tsara ny resaky ny minisitry ny