airtel

Actualités

20-avril-2023

Actualités

Tsy fahafehezana teknolojia Mampisambadidaka fitantanana

Sample post image

Mijanona ho kabary ambony latabatra ny fitsinjaram-pahefana eto amintsika, hoy ny antoko politika MMM na Malagasy miara-miainga farany teo.

20-avril-2023

Tsy misy asa miforona noho ny tsy fisian’ny antoka sy fitoniana ho an’ny mpampiasa vola, hoy izy ireo. Maro ny very asa ary tanora maro nahavita fianarana maro no mirenireny na manao asa tsy mifanaraka amin’ny fianarana norantoviny vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Vokany, manjaka ny tsy fandriampahalemana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Seha-pihariana maro no anaty fahasahiranana vokatry ny fihenan’ny fahefa-mividy. Ny fitsinjaram-pahefana ihany no ahafahana manome asa sy fampandrosoana, hoy hatrany ny MMM. Ankoatran’izay dia ny hanao kolikoly moa, hoy izy ireo, no maha maika ny tomponandraikitra. Mampametra-panontaniana sy maha lasa saina amin’izao fotoana izao ny mahita ireo olompirenena hila ravinahitra any an-dafin-driaka any izay amin’ny 1 na 2 ora maraina dia efa milahatra etsy Anosy hikarakara pasipaoro. Efa maro ny naman’ny tara raha ohatra ka amin’ny 4 ora maraina vao tonga teny omaly. Tao anatin’ireny fotoanan’ny fihibohana ireny ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, dia nilaza fa tsy maintsy hirosoana ny antsoina hoe «digitalisation» mba hamahana ny olana amin’ny fitarazoan’ny asa na fikarakarana taratasim-panjakana. Eo koa ny resaka vatsim-pianaran’ireo mpianatry ny anjerimanontolo, ny resaka fakan’ny beantitra fisotroan-dronono, ny fanavaozana kara-panondrom-pirenena sy rehefa mety taratasy ilaina amin’ny maha olompirenena.
AIZA HO AIZA ANEFA ISIKA IZAO?
Efa maro ny fanazavana ny maha zava-dehibe ny fahafehezana ny fikirakirana teknolojia mikasika ny fitantanana raharaham-panjakana sy raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ary na ny eo anivon’ny fitondram-panjakana aza miara-miaiky amin’ireo herivelona aty ivelany fa anisan’ny vahaolana amin’ny kolikoly io. Fanafainganana asa ihany koa mba hialana amin’ilay milahatra be toy ilay rehefa mikarakara pasipaoro voalaza teo na koa hoe voatery midina any Antsirabe nefa efa monina ao amin’ny boriboritany fahatelo eto Antananarivo raha hikarakara taratasy ilaina maika satria nampidinina any an-dakira be any, hoy ny fitenin’ny tanora izay, ilay sampan-draharaha mora azo tao amin’ilay boriboritany nisy ny tena taloha.

TARATRY NY OLANA NY RAHARAHAM-PIFIDIANANA
Anaty fotoam-pifidianana koa moa isika izao ary dia ireny iaraha-mahita amin’ny fijoroana vavolombelon’ny olompirenena maro eny amin’ny tambazotran-tserasera ireny ny tsy fahitana anarana, ny zaza tsy ampy taona nefa ao anaty lisitry ny mpifidy, ny biraom-pifidianana mbola tsy voahitsy maro noho izay tsy fahafehezana teknolojia izay, raha tsy dia tena hoe fanahy inian’ilay tomponandraikitra mihitsy angaha. Toy izao manaraka izao moa ny ampahany nanazavan’ny mpahaitoekarena sady filohan’ny antoko politika FMI Malagasy, Jean Jacques Ratsietison, ny zava-misy tsikariny ho fanampin’izay fa ny azo amehezana azy dia tsikaritra ho mampisambadidaka fitantanana aloha izany ilay tsy fahafehezana teknolojia na itony hairaha vaovao itony. «Ny filazan’ny CENI fa miisa 400.000 ny verin-droa na «doublon» nesorina tao anaty lisitry ny mpifidy dia midika fa nisy tsy mponina tao amin’ilay fokontany tafiditra tao. Tsy niady izany ilay fanisana na «recensement». Hiainga amin’ny 0 mankany amin’ny 100% ve ianao ve ianao nefa ny fokontany afaka manome ilay 100%? Ny INSTAT koa afaka manome ny isan’ny mponina. Fa maninona ny INSTAT mankany amin’ny fokontany rehefa manangona isa fa maninona ny CENI tsy manao izany? Izay no mahatonga ilay fanahiana hoe mety misy resaka fangalaram-bato ambadika io. Tsy lojika ireny tamin’ny 2018 ireny hoe ny valim-pifidianana any Toliara no nivoaka voalohany fa tsy ny teo Alarobia. Tsy mila miampita arabe akory anefa ianao mankao fa manaraka ny sisin’ny lalan’ny mpandeha tongotra eo amin’ny fiangonana dia miakatra ery amin’ny Pulman dia manaraka iny lalan’ny mpandeha tongotra na «trottoir» ihany dia tonga ao amin’ny CENI. Misy lalana miteny hoe tsy maintsy ny ampitso dia mivoaka isaky ny biraom-pokontany tsirairay avy ny voka-pifidianana isaky ny fokontany. Fa maninona no tsy izay no nitranga?»
Nanangona sy nandrindra : J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap