airtel

Actualités

23-oct-2023

TSY FAHAMPIAN’NY ROTSAK’ORANA

Faritra maro tandindonin'ny haintany mahery vaika

Sample post image

Azo lazaina ho tsy ampy sahady ny rotsak’orana eto amintsika indrindra fa ny any amin’ny faritra na dia vao

23-oct-2023

manomboka miaina ny vanim-potoanan’ny lohataona mankany amin’ny fahavaratra aza isika. Faritra maro eto Madagasikara noho izany no ahiana iharan'ny haintany mahery vaika manomboka amin’ny volana desambra 2023 ho avy izao, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny UNICEF. Haharitra hatramin’ny volana Febroary taona vaovao 2024 izany haintany izany vokatry ny tsy fahampian'ny rotsak'orana hatrany. Lohalaharana amin’ireny ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Menabe, faritra Matsiatra Ambony, Ihorombe….Tsiahivina moa fa ankoatra ireo faritra ireo dia efa manomboka miaina izany tsy fahampian-drano ateraky ny tsy fahampian’ny rotsak’orana izany ihany koa isika eto afovoantany indrindra fa ny faritra ivelan’Antananarivo. Efa vidiana 300 Ar ny rano iray bidon miloko mavo vao tonga any an-tokantrano amin’izao vokatry ny fahapahan’ny rano vatsian’ny JIRAMA. Eo an-danin’izay anefa dia efa manomboka miharitra ihany koa amin’izao ny ankamaroan’ny vovon-drano. Ny fiarovana sy fanajana ny tontolo iainana ihany moa sisa no hany vahaolana tokana hahafahana mampitombo ny rotsak’orana manerana ny Nosy izay miankina amin’ny fandavan-tenan’ny tsirairay.


Pati
Legende Mafibe tahaka izao sahady ny fitadiavana rano fisotro madio ankehitriny any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap