Baiboly no ijerena azy, fa ny fananana amby ampy no tokony ezahina. Tsy fahotana nefa, hoy izy, ny mitrosa raha manaja teny ierana. Raha miteny ilay mitrosa hoe omeko amin'ny faran'ny volana dia tena faran'ny volana tokoa no tokony averina izany. Mitovy amin'ireny hoe mampiasa jiro ianao dia alohanao ny vidiny rehefa tonga ny faktiora. Misy fanazavana lava be mihitsy mikasika izany anaty tenin'Andriamanitra. Ao anaty Baiboly dia misy resaka famerenana trosa im-betsaka, izany hoe avelan'Andriamanitra hisy ny findramana sy fampindramana fa mila mamerina amin'ny teny ierana fa tsy hoe agebona any. Ny Baiboly kosa nefa mampitandrina ny mpampindrana mba ahafoy, izany hoe raha ampindrana dia izay foy no mety omena ilay olona amin'izay tsy manota noho ny fahatezerana ianao raha tsy mamerina ilay olona. Hoy ny voasoratra ao amin'ny Romana 13: 7 hoe "Koa ataovy amin'izy rehetra ary izay tokony ho azy avy, dia hetra amin'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana amin'izay tokony andoavana fadin-tseranana, tahotra ho an'izay tokony ho atahorana ary haja ho an'izay tokony ho hajaina." dia ny tohiny eo amin'ny andinindininy faha 8 manao hoe "Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo afa-tsy ny fifankatiavana fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalana, hoy hatrany ity mpanabe Kristianina ity. Raha ho an'ny fijery eo amin'ny lafiny fifandraisana ara-piarahamonina mahazatra kosa dia vahaolana farany indrindra ny fitrosana, hoy ny fanazavan'ireo mpahaifiarahamonina sy mpahaiolona, izany hoe, efa tena tsy misy safidy hafa intsony izay vao idirana ao anaty fiarahamonina iray izany. Misy koa anefa ny manao izany mba hividianana filana tsy mahasoa akory fa mba hanindriana ny mpiara-monina fotsiny. Fanao izay heverina ho efa aretin-tsaina indray izay ary lasa mivadika ho fisolokiana mihitsy raha atao fahazarana, hoy hatrany ny fanazavana.
Nangonin'i J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny