airtel

Actualités

27-janv-2025

Tsy fampiasana fitaovam-piadiana eny an’habakabaka

Nanasonia fanambarana iraisana amin’ny Rosianina ny Fitondrana

Sample post image

Nanasonia fanambarana iombonana mba tsy hampiasana mialoha fitaovam-piadiana eny

27-janv-2025

an’habakabaka ny firenena malagasy sy Rosiana, fanehoam-pahavononana manoloana ny fihazakazahana amin’ity sehatra stratejika ity, hoy ny seraseram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny faran’ny herinandro teo. Mba hananana habakabaka hanjakan’ny fandriam-pahalemana sy azon’ny rehetra ampiasaina no nambara fa antony, ka nilazana fa tafiditra amin’ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny fivoriam-ben’ny Firenena Mikambana ny faha-06 desambra 2023. Nambara fa tsy mivaona amin’ny fikatsahana ny fandriam-pahalemana nahazatra azy, ka nilazana fa mamporisika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa isam-paritra I Madagasikara ary manao ady sisika hanadiovana ny habakabaka ho vakoka iraisana hiantohana izany fandriam-pahalemana izany. Asa tena zava-dehibe amin’i Madagasikara ve aloha ity resaka fanambarana iombonana niaraka tamin’ny Rosianina ity eo anatrehan’ny toerana misy antsika ara-toekarena sy jeopolitika maneran-tany ? Ny fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana hiarovana ny fahadiovan’ny rivotra sy hitandroana ny sosona « ozone » aza anefa tsy vitantsika. Inona no tambiny sy tamberiny ho an’i Madagasikara teo anatrehan’itony fanambarana niraisana tamin’ny Rosianina itony?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap