airtel

Actualités

10-oct-2023

Tsy fanajana lalàna, tsindry politika,…

Mampiaka-peo ny Sendikan’ny mpitsara

Sample post image

Namoaka fanambarana manoloana ny toe-draharaha misy eto amin'ny tany sy ny firenena,

10-oct-2023

Ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara tarihin’ny Filohany Atoa Mbitanarivo Andriantsihoriso omaly 09 oktobra 2024. Manantitra hatrany ny tokony hanajana ny lalàna velona eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ny SMM; Mitaky ny fanajana ireo zo fototra rehetra voalazan'ny Lalàmpanorenana, zo izay sitrahan'ny olom-pirenena isam-batan'olona; Mitaky ihany koa ny tsy hanaovana ny rafi-pitsarana misy ho fitaovana entina hanaovana ramatahora ary ny tsy hisian'ny tsindry na avy aiza na avy aiza hatao amin'ireo mpitsara miandraikitra ny asany andavanandro. Vanim-potoanan'ny fifidianana izao, izay ankatoky ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra, kanefa noho ny tranga izay miseho mialoha ; olana ara-politika, dia ahiana ny iafaran'izany olana izany manoloana ny fitsarana, koa manentana ireo mpitsara namana rehetra manerana ny Nosy mba hijery araka ny lalàna velona ary tsy hijery afa-tsy ny lalàna, ka tsy hanaiky tsindry na avy aiza na avy aiza, hoy hatrany ny SMM. Tsy misy tsy maniry fitoniana, indrindra amin'izao toe-java-misy izao, koa aoka ny olana ara-politika, alamina sy vahana ara-politika.


Asa raha misy ifandraisany, fa isan’ny raharaha miteraka adihevitra amin’izao raha ny tontolon’ny fitsarana sy ny politika ny fitazonana ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro. Tsy misy mpitsara sahy mandray ny raharaha satria tsy misy zavatra tena ahafahana manenjika azy, hoy ny avy amin’ny TIM. Tokony ho 2 andro ny fitazonana, kanefa efa 8 andro omaly. Mifanilika andraikitra ny zandary izay nisambotra azy sy ny eny anivon’ny fitsarana raha ny fijeriko azy satria tena tsy ara-dalàna ny fitazonana azy any amin’ny zandary, hoy ny depiote Mamy Rabenirina.
Toky R


 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap