airtel

Actualités

23-déc-2024

Tsy filatsahan’ny orana

Tena zava-dehibe ny fanamandoana ny tany

Sample post image

Nanamafy ny fikambanana Tandroharena na ny fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka sy mpikaroka momba ny

23-déc-2024

vakoka eto Madagasikara fa isan’ireo harem-pirenena na vakoka, eny, harena ho an’izao tontolo izao mihitsy aza ny tontolo iainana. Hita ho mitombo hatrany ankehitriny ny fahapotehan’izany tontolo iainana izany, hoy ny fanazavàn’ny filohan’ity fikambanana ity, Eddy Jean Philippe. Eo ny tsy filatsahan’ny orana, toy io iaraha-miaina eto Antananarivo renivohitra io. Averina hatrany fa tena zava-dehibe ny fanamandoana ny tany toy ireo fanentanana efa fanao isan-taona mba hiantsoana izany orana izany hilatsaka indray. Ahiana ho tena taraiky ny fiakaram-bokatra toy ny vary raha izao no mitohy nefa vahaolana faran’izay tsotra no atoro antsika olompirenena dia ny hoe tsy fanariana avy hatrany ireo rano avy nampiasaina tao an-tokantrano tao fa mba fanampariahana izany eraky ny tokontany ho fanamandoana ny tany sy hilatsahan’ny orana ialàna amin’izao hafanana be efa hila tsy ho zaka izao intsony no sady mba hahafahana mikarakara ireo voly filàna an-davan’andro. Ilaina foana ny mamboly hazo ary fotoana natao hanombohana izany tokoa izao saingy tsotra sady te ilaina ihany koa io hetsika fanamandoana ny tany io, hoy hatrany ny Tandroharena.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap