airtel

Actualités

10-oct-2024

Tsy fitovian-kevitra eo amin’ny ray sy reny

«Ilana fitandremana fa manimba ny fanabeazana ao an-tokantrano»

Sample post image

Toe-javatra mety mitranga ny tsy fitovian- kevitra eo amin’ny ray sy ny reny momba ny fitaizana ny zaza,

10-oct-2024

hoy ny mpanabe, Raoeliarijao. Ilana fitandremana sy fifehezana eo amin’ny olon-dehibe izany fa manimba ny fanabeazana ao an-tokantrano, hoy izy. Ny andaniny, ohatra, mety hamela ny zaza handeha ho any amin’ny fianakaviany. Ny ankilany kosa misakana izany. Ny anankiray mamela ny hijerena fahitalavitra. Ny anankiray mandà izany. Inona no vokatr’izany eo amin’ny zaza? Tsy fantatry ny zaza intsony ny hoe inona marina no tokony hatao? Manozongozona ny fahefan’ny andaniny na ny ankilany ny tsy fitovian- kevitra eo amin’ny mpivady. Mety hararaotin’ny zaza ihany koa izany fifanoherana eo amin’ny olon-dehibe izany mba hanatanterahana ny sitrapony amin’izay anankiray manome vahana azy, na ny rainy na ny reniny. Mba hisorohana izany olana izany dia tsara raha mifampidinika hatrany ny mpivady. Raha mbola azo atao dia mampitovy tadin-dokanga eo amin’ny fomba itondrana ny zaza. Raha misy zavatra mety tsy hampitovy hevitra ny andaniny sy ny ankilany dia aoka tsy ho eo imason’ny zaza no ifamaliana momba izany, hoy hatrany ity mpanabe ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

Nanao ampamoaka sy nanazava ny

Card image cap
15-déc-2025

Nisy ny fihaonana ara-panjakana izay

Card image cap
12-déc-2025

Nitsangana ny vaomiera mpanadihady

Card image cap
12-déc-2025

mbola miantehitra amin’ny frantsay»

Card image cap
12-déc-2025

rehefa tsy ampy solaitra ny maro an'isa"

Card image cap
12-déc-2025

Tandindonin-doza ireo tantsaha

Card image cap