hoy ny mpanabe, Raoeliarijao. Ilana fitandremana sy fifehezana eo amin’ny olon-dehibe izany fa manimba ny fanabeazana ao an-tokantrano, hoy izy. Ny andaniny, ohatra, mety hamela ny zaza handeha ho any amin’ny fianakaviany. Ny ankilany kosa misakana izany. Ny anankiray mamela ny hijerena fahitalavitra. Ny anankiray mandà izany. Inona no vokatr’izany eo amin’ny zaza? Tsy fantatry ny zaza intsony ny hoe inona marina no tokony hatao? Manozongozona ny fahefan’ny andaniny na ny ankilany ny tsy fitovian- kevitra eo amin’ny mpivady. Mety hararaotin’ny zaza ihany koa izany fifanoherana eo amin’ny olon-dehibe izany mba hanatanterahana ny sitrapony amin’izay anankiray manome vahana azy, na ny rainy na ny reniny. Mba hisorohana izany olana izany dia tsara raha mifampidinika hatrany ny mpivady. Raha mbola azo atao dia mampitovy tadin-dokanga eo amin’ny fomba itondrana ny zaza. Raha misy zavatra mety tsy hampitovy hevitra ny andaniny sy ny ankilany dia aoka tsy ho eo imason’ny zaza no ifamaliana momba izany, hoy hatrany ity mpanabe ity.
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny