airtel

Actualités

18-oct-2023

TSY MAHAZAKA NISARAHANA

Notamperin’ilay Rangahy ny ain’ny zana-badiny

Sample post image

rehefa tsy nety nampodiana ilay Ramatoa Ahitana tranga maro ny resa-pitiavana eto amintsika.

18-oct-2023

Matetika dia mihafara amin’ny fifamonoana hatrany izany toy ity tranga niseho tany Faratsiho tamin’ny fiandohan’ny volana Oktobra ity. Nisaraka nandritra ny andro maromaro ny mpivady iray rehefa tsy nifanaraka. Nangataka ny hampody an-dravehivavy ralehilahy vokatr’izany fa tsy nanaiky intsony itsy voalohany. Tamin’ny Alatsinainy 02 Oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora ary dia nalain’ilay Rangahy tany am-pianarana ilay zana-badiny vao 6 taona monja izay niarahan’izy ireo nitaiza. Nentiny nitsoaka io zaza io. Tokony ho tamin’ny 4 ora folakandro anefa dia nampandre ny zandarimaria ny Pasitera iray tao an-tanàna fa nalain'ilay raikely an-keriny ny zaza 6 taona ary mitaky vola 10 Tapitrisa Ar izy vao omeny. Nanomboka teo ny fikarohana ilay Rangahy. Noho ny fahaiza-manaon'ny zandary avy ao amin'ny Poste_avancé_Faravohitra dia voasambotra tany akaikin'i Betafo tany ilay Rangahy sy ilay iray niray tsikombakomba taminy. Nambarany tamin’izany fa tsy nahazaka ny fisarahana izy ary indrindra, tsy zakany koa , hono, ny hahita an'ilay vehivavy vadiny ho sakambinin_ny_hafa ka ilay zaza tsy manan-tsiny no nanalàny ny fony. Novonoiny tamin'ny fomba feno habibiana ilay zaza noho izany, ora vitsy taorian'ny nakàny azy tany am-pianarana ilay zaza. Rehefa matiny dia naleviny, kanefa mbola nitaky ilay 10_Tapitrisa_Ar ihany izy, "sao mba manome ihany ho entina mipitsika sady ivelomana". Sady nitsoaka izy no niandry mpandoa vola saingy zandary no tonga naka azy izay tsy nampoiziny mihitsy ny nahitana azy vetivety. Rehefa maty moa ilay zaza dia naleviny tany anaty ala ary lasa nitsoaka izy kanjo izao voasambotra izao ihany. Notantarainy avokoa ny fomba namonoany ilay zaza, ary natorony ny toerana nandevenany azy. Efa mibaby ny valin’asany any am-ponja moa izy roalahy ireto.
Nangonin’i Pati Legende : Ity ilay Rangahy tsy mataho-tody namono ilay zaza tsy manan-tsiny !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap