airtel

Actualités

30-janv-2025

Tsy manohana ny fambolena ny Fanjakàna…

«Efa tafakatra 340.000 Ariary ny vidin’ny zezika»

Sample post image

Ny mpitatitra no tena mpitondra vahoaka, hoy ny mpanao gazety sady mpahaiolona politika na

30-janv-2025

anthropologue politique», Andrianjato Vonison. Tsy manafoana ny tantsaha ao anaty fahasahiranana nefa, hoy izy, ny zava-misy. Tantsaha ny tena. Na midina na tsia ny solika dia mividy solika 32.500 Fmg na 6500 Ariary izahay. Ny fanjakàna no tsy mahavita ny adidiny ao anatin’izany satria tsy afa-manao famahoahana na «démocratisation» an’ireo kaompanian-tsolika ireo. Ny fambolem-bary dia fantantsika fa amin’ny fotoana idinan’io «stock tampon» io dia tena mahatsiravina ny mihatra amin’ny tantsaha mampiakatra vary aloha amin’izao fotoana izao. Nitambotsotra be mihitsy nefa iny izany no mba tokony hoe fidiram-bola fanampiny hananan’ny tantsaha mialohan’ny iakaran’ny ampaham-bokatra amin’ny vary asara na vaky ambiaty. Tsy misy fanohanana ataon’ny fanjakàna amin’ny fambolena. Efa tafakatra 1.700.000 fmg na 340.000 Ariary izao ny vidin’ny zezika 1 gony na 50kilao. Raha hanao «Bio» na fambolena tsy mampiasa simika nefa dia io fambolena nentin-drazana io no mety fa kely ny vokatra. Raha hanao fambolena ahazoana tombony izany dia tsy maintsy mampiasa zezika organika sy simika. Samia mandinika mikasika ny fomba hanatanterahana an’izany. Ny orana tsy nisy. Ny vary nitera-maina rahateo. Izay maty moa maty. Mampitahotra ny hoavin’ny tantsaha. Rehefa mitrerona ny karàna sy ny vazaha tompona orinasa lehibe mpanao provandy eto Madagasikara dia tonga dia miteny fotsiny ny fitondràm-panjakàna anaty filankevitry ny governemanta hoe avela hanafatra katsaka an’arivo Taonina ny mpanam-bola. Mba noresahina tao anaty filankevitry ny governemanta ve nefa ny mikasika ny Telma nivadika ho Yas, hoy hatrany ny tenany? Ny fanjakàna izany no manao «dumping» na famonoana ireo tantsaha. Nidina ny vidim-bokatra. Soa fa zava-misy eo amin’ny fandraharahana amin’ny ankapobeny ny hoe maivana ilay katsaka avy any an-dafy dia tsy maintsy miditra amin’ny katsaka gasy ihany ireo mpamokatra lehibe saingy ilay vidina katsaka efa nidina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka

Card image cap
16-juin-2025

Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry

Card image cap
16-juin-2025

Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,

Card image cap
16-juin-2025

Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.

Card image cap
16-juin-2025

Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)

Card image cap
16-juin-2025

Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.

Card image cap