airtel

Actualités

31-janv-2024

Tsy mbola ratsy ohatran'izao Antananarivo

“Tsy voavaha izany ny olana fa naparitaka eran'Antananarivo.”

Sample post image

Tsy mbola ratsy ohatran'izao Antananarivo tao anatin'ny 60 taona,

31-janv-2024

hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka eo anivon’ny Reporter sans frontière, Randy Donny! Samy miaina sy mahita azy eto ka tsy misy azo ampiesonina, hoy izy. Mandainga izay milaza fa lasa milay be, araka ny fitenin’ny tanora, ilay renivohitr'i Madagasikara. Anisan'ny antony dia satria andosirana foana ny olana fa tsy mba atrehina. Izany no mahatonga an'io olana eny Anosipatrana io. Tsy afaka idiran'ny kamiao hoe eny Andralanitra? Tsy atrehina ny olana mba ho vahana eo no ho eo na hoe “sur place”. Tsy voavaha izany ilay olana fa ny fako no naparitaka. Dia rakotra Antananarivo. Dia toa izany foana! Miteraka olana be Anjoma izay nalaza ho tsena tsy mitafo lehibe indrindra eran-tany ary ihodinan'ny vola miliara isan'andro? Tsy natrehina ny olana mba ho vahana “sur place”. Tsy voavaha izany ny olana fa naparitaka eran'Antananarivo. Lasa feno tsena Ambodin’Isotry sy 67ha. Nofoanana ireo kianja fanaovan'ny tanora fanatanjahantena sy nivoahan'ny kalaza maro fa navadika ho tsena. Dia rakotra mpidoroka sy mpifoka Antananarivo. Miteraka olana be ny hamaroan'ny mponina ao Antananarivo? Tsy atrehina ny olana mba ho vahana “sur place” fa aleo hoe hamorona tanàna vaovao any ivelany. Tsy ho voavaha mihitsy izany ilay olana fa hafindra any an-toeran-kafa fotsiny. Ovay ilay fijery…, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap