Tsy misy toerana ho an’ireo tsy mahalala afatsy ny maneso sy manaratsy, eny mety lasa sakana mihitsy aza amin’ ny fanovana kasaina apetraka eto ao anatin’ny fitondram-panakana mijoro amin’izao fotoana satria tena mafy ny asa atrehana ka tsy misy fotoana ifanzavana be na ifanasana vangy intsony .Maika ahita vokatra mivaingana ny vahoaka.
Mifandraika amin’izay ny fahitana ny fanapahan-kevitra noraisina ny faran’ny herinandro teo : nofoanana ny fanendrena an-dRamatoa isany Rinah RAKOTOMANGA eo anivon'ny Masoivohon'i Madagasikara any Chine sy Mishou RANDIMBIARISOA, mpanolontsaina voalohany ao amin'ny Masoivohon'i Madagasikara any Frantsa. Ity farany dia efa hatrany amin’ny taona 2019 tany no malaza ho mikitakita olona , manao tsindry hazo lena, ary misy fotoana aza toa hoe mahavita mikasi-tanana mihitsy. I Rinah Rakotomanga kosa dia teto Madagasikara nitarika ireo milaza azy ireo fa hoe mpomba ny filoha teo aloha,, nidina an-dalambe izy ireo, niezaka naneho hevitra tetsy sy teroa fa tsy nahatarika olona firy ; adinony ny asa nanendren’ny fanjakana malagasy azy. Tsy fantatra mazava moa hoe lasa aiza izy ankehitriny, izy izay anisan’ireo olona namoahana IST .
Fa anisan’ireo dilaomaty nesorina tamin’ny toerany ihany koa nanombona ny sabotsy 8 novambra 2025 teo Atoa Camille Vital, masiovohon’i Madagasikara atsy amin’ny nosy Maurice ; izy izay nangataka ny fanaovana Evacuation Sanitaire na EVASAN an’ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga ho atsy amin’ny nosy La Réunion. Nampametram-panontaniana ny maro tokoa izany hoe fa nahoana moa no ny masoivoho no maika hangataka EVASAN ho ana olona voarohirohy amina raharaha maloto ary efa namoahana didy fa tazonina am-ponja vonjimaika ? Inoana fa hisy ny fanadihadiana hatao amin’ireo diplaomaty mampiahiahy ireto aorian’izao fanongotana azy ireo izao mba hamantarana hoe iza no iza sy iza no manao inona marina.
Nangonin’i RTT
.